Fanatajahantena

Rugby – Amboaran’i Madagasikara : hifanintsana ireo ekipa ao amin’ny Top 12

Hiditra amin’ny fanatontosana ny amboaran’i Madagasikara indray ny Malagasy Rugby. Fihaonana hamaranana ny taom-pilalaovana 2023. Hiatrika sy hiady izay hahazo izany ireo ekipa ao anatin’ny “Top 12”. Hivory amin’izay, hanohizana ny fandaharam-potoana eo amin’ny famaranana ny taom-pilalaovana 2023, ny zoma ho avy izao, ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Malagasy Rugby. […]

Faha -18 taonan’ny FC Copain : hanao fifaninanana hahazoana omby mifahy

Amin’izao faha-18 taonan’ ny ekipan’ny FC Copain izao, hikarakara fifaninanam-pokotany izy ireo. Raha ny fanazavana nataon-dRakotondra­miara Hasina, filohan’ity klioba ity, omaly, teny Alarobia. Hotolorana omby mifahy sy amboara ary “maillot” izay tompondaka amin’ity andiany voalohany ity. Ondry kosa ny an’ny faharoa. Ny Airtel Madagascar no hiara-hiasa amin’izy ireo amin’ny fikarakarana […]

International Multi-boxe : nifampizarana ny fandresena

Tontosa tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady lasa teo, ny “Gala international Multi-boxe”, andiany voalohany. Fifaninanana nokarakarain’ny federation malgache de savate boxe française. Nifampizaran’ny Malagasy sy ry zareo avy atsy amin’ny Nosy rahavavy ny fandresena, teo amin’ny vokatra. Ho an’ny savate boxe, sokajy -63,5 kg, lehilahy, nisongadina ilay renioney, […]

« World Jiu-Jitsu Championship » : hiditra an-tsehatra anio i Zo Aina

Hiditra amin’ny andro fahefatra anio, ny fifaninanana “World Jiu-Jitsu Championship”, handraisan’i Madagasikara anjara any Abu Dhabi. Malagasy atleta faha-6 amin’ireo mpandray anjara i Zo Aina, izay hiditra an-tsehatra anio. Taorian’i Nofy, i Adriano, i Christian, i Tafita, i Rajo ary i Linjo, anjaran’i Zo Aina indray ny hifaninana ho amin’ny […]

Tenisy – «Mada Junior 2023»: Nanjakan’ny ligin’Analamanga ny fifaninanana

Nifarana ny zoma lasa teo, teny amin’ny kianja “Club Olympique de Tananarive” (COT), Mandrosoa Ivato, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ho an’ny sokajy “junior 2023”. Nanjakan’ny ligin’Analaman­ga, ny fifaninanana tamin’ity. Lasan’izy ireo avokoa mantsy ny anaram-boninahitra teo amin’ireo sokajy niadiana ny amboara. Mbola misongadina hatrany anefa ny […]