Fanatajahantena

Volley-“Coupe de Mada-U23” : samy tafakatra famaranana ny GNVB lahy sy vavy

Hifarana anio sabotsy 4 novambra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy U23 lahy sy vavy, Volley-ball, tanterahina any Mahajanga. Samy tafakatra famaranana avokoa ny GNVB lahy sy vavy, araka ny voka-dalaon’ny dingana manasa-dalana notontosaina omaly. Mampiseho ny maha ekipa kalaza azy ireto mpilalaon’ny Zandary ireto ary hatrany am-panombohan’ny fifaninanana no […]

«African Schools Program» : nahazo 10 tapitrisa Ar ny mpandray anjara

Nifarana ny alakamisy lasa teo, ny fifaninanana nasionaly, taranja baolina, natao ho an’ireo sekoly teny anivon’ny Dren avy amin’ny faritra valo eto Madagasikara. Notolorana vola 10 tapitrisa Ariary avy ireo mpandray anjara tamin’ity fifaninanana ity. Nandrombaka ny amboaran’ny U15, lehilahy, sy ny U15, vehivavy, ny CEG Référence Vatovavy Fitovinany. Nalain’ny […]

Gala international Multi-boxe : hanafika eto Madagasikara i La Réunion sy i Mayotte

Hampiantrano fihaonana iraisam-pirenena eo amin’ny taranja haiady, ny federasiona malagasin’ny savate boxe française, amin’ity faran’ny herinandro ity. Hanafika ny Malagasy mpikatroka ry zareo renione sy ny mahore ary ny kaomorianina. Hotanterahina etsy amin’ ny Kianja mitafon’i Ma­ha­masina, rahampitso alahady 5 novambra, ny andiany voalohany amin’ny «Gala international multi-boxe», ahitana ny […]

Tsipy kanetibe : tsy manao Mondial i Madagasikara

Ny alarobia lasa teo, nandefa taratasy tany amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahan­tena sy ny tanora (MJS), ny Federasiona iraisam-pirenen’ny taranja tsipy kanetibe (FIPJP). Voambara tao anatin’ity taratasy ity fa tsy afaka miatrika ny “Mondial”, izay hatao any Bangkok, ny 22-27 novambra ho avy izao, ireo sokajy lehilahy “Junior” sy vehivavy “senior” malagasy. […]

Kitra – « Mondial 2026 »: tafaverina anatin’ny lisitry ny Barea i Njiva

Nivoaka ny alarobia lasa teo, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny lisitr’ireo Malagasy mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar. Miisa 28 mirahalahy izy ireo, raha toa ka enina amin’ireo ihany no avy eto an-toerana. Tafaverina anatin’ny lisitra nataon’ny mpanazatra ny Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, […]