Noho ny antony tsy miankina amin’ny federasiona malagasin’ny handball (FMHB), tsy raikitra ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy “senior” lahy sy vavy, ho an’ny taom-pilalaovana 2023. Fihaonana tokony ho natao tany Antsiranana, ny 13 ka hatramin’ny 21 oktobra lasa teo. Araka ny angom-baovao, noho ny zava-misy eto amin’ ny firenena ny […]
Fanatajahantena
Klioban’ny EST: manome lanja ny fanatanjahantena sy ny fianarana
Tsy ny teo amin’ny spaoro ihany fa na ny teo amin’ny fianaran’ny ankizy, afapo tamin’ny vokatra azo tamin’iny taom-pilalaovana lasa teo iny ny teo anivon’ny fikambanana Espoirs sportifs de Tuléar, araka ny nambaran’ny filohan’ny EST, i Vital Serge. Nambaran’ny filohany, Vital Serge, fa «tsy ny fanatanjahantena ihany no ao amin’ny […]
« Championnat National Scolaire » : misongadina ny CEG Mahabibo U-15
Notanterahina nanomboka ny sabotsy 28 oktobra lasa teo, teny Mahamasina, ny fifaninanana « Championnat National Scolaire », taranja baolina kitra. Ireo mpianatra eny anivon’ny CEG no mandray anjara amin’izany. Nandritra ity andro voalohany ity, ny ekipan’ny CEG Mahabibo no hita fa misongadina amin’ity fifaninanana ity. Nahazo fandresena roa izy ireo. Lavon’izy ireo […]
Reharehan’i Madagasikara: fahombiazana no azon’ny Cosfa tao anatin’ny 40 taona
Maro amin’ireo atleta avolenta sy manana ny lazany no nivoaka avy ao amin’ny klioban’ny Foloalindahy, raha ny tantaran’ny fanatanjahantena maneran-tany. Tsy latsa-danja amin’izany ny Cosfa satria sady efa voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara in’efatra nisesy, efa tompondakan’i Afrika sy teo anivon’ny ranomasimbe Indianina koa. Maro ireo anaram-boninahitra efa nisalorany. Anisan’ireo mandrafitra ny ekipam-pirenena hatrany ny […]
Barea de Madagascar : Aleo izay mendrika no ho voafantina
Mbola any ivelany amin’izao fotoana, ny filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, sy ny mpanazatra ny Barea de Madagascar, Rakotondrabe Romuald Felix (Rôrô). Any Frantsa izy mirahalahy mianaka, mitety ireo klioba ka mijery sy mifantina ireo mpilalao manana ra malagasy na tena Malagasy 100 isan-jato, izy ireo ka […]





