Misitraka vatsim-pianarana avy amin’ny “World Aquatics” any Thaïlande, amin’izao fotoana izao, ny Malagasy mpilomano, i Tendrinavalona Idealy. Nisy ny resadresaka nifanaovana taminy. *Gazety Taratra: Afaka hazavainao ve ilay vatsim-pianarana azonao? – Tendrinavalona Idealy: Ilay vatsim-pianarana omen’ny “world aquactics” isan-taona ho an’ny atleta izay mendrika ao amin’ny firenena iray. Mifandimby ny […]
Fanatajahantena
“Webcup 2023”: ny Malagasy, Angry Geek, no nahazo ny fandresena
Teto Antananarivo no nampiantrano ny lalao famaranana isam-paritra amin’ny fampivoarana ny tranonkala “24h by webcup”. Mpandresy tamin’ny fifaninanana tamin’ity taona ity ny ekipa malagasy Angry Geek. Teny amin’ny Ibis Ivandry no nanolorana ny loka, nanomboka ny 28 ka hatramin’ny 29 oktobra 2023. Ny mpandray anjara teo amin’ny famaranana, nandray ny […]
Motocyclisme : handray ny fivoriana iraisam-pirenena i Nosy Be
Hotanterahina eto Madagasikara, amin’ity volana novambra ity ny fivoriambe ara-potoana “Assemblée Générale (AG)” ny federasiona iraisam-pirenen’ny Motocyclisme (FIM) Afrika. Any Nosy Be no toerana nosafidin’ny federasiona malagasin’ny motocyclisme (FMAM) handray izany, manomboka ny 3 hatramin’ny 5 novambra ho avy izao. Miisa 25 ireo firenena ho avy hivory eto an-tanindrazana raha […]
Jiu-Jitsu – Fifaliana: misedra olana amin’ny hoenti-manana
Tokony hanainga rahampitso 3 novambra, miaraka amin’i Andy sy i Diary, hiatrika ny “World Jiu-Jitsu Championship” any Abu Dhabi, i Fifaliana. Mbola manao antso anefa izy ho an’ireo malala-tanana sy mpanohana satria mbola tsy feno tanteraka ny hoenti-manana ahafahana miatrika ity fifaninanana ity. Na izany aza, efa kely sisa dia […]
Kitra – «Championnat national scolaire»: ho fantatra anio izay hibata ny amboara
Tapitra amin’ity anio ity ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja baolina kitra, ho an’ireo mpianatra latsaky ny 15 taona, eny anivon’ny fitaleavam-paritry ny fampianarana manerana ny Nosy (DREN). Hifarana, anio, ny fifaninanam-pirenena, eo amin’ny baolina kitra, hifanandrinan’ireo mpianatra sokajy U15, lehilahy sy vehivavy ary ny U13, lehilahy avy […]





