Fanatajahantena

“Mondial Rugby 2023”: norombahan’ny Springboks Afrika Atsimo ny amboara

Lavo ny All Blacks Nouvelle-Zélande, nalain’i Afrika Atsimo ny amboara faninefany amin’ny “Mondial Rugby 2023”. Tsy niova tanana ny amboara maneran-tany, taranja Rugby, fa lasan’i Afrika Atsimo izany, ny sabotsy lasa teo, tany France. Lavon’izy ireo tamin’ny isa tery, 12 no ho 11 i Nouvelle Zé­lande, nandritra ny famaranana notontosaina tao amin’ny Stade France. Raha hiverenana […]

Basikety-“stage level 1” : Mpitsara 15 misitraka fiofanana

Niatrika fiofanana omen’ny FIBA Afrika, nanomboka ny sabotsy 28 oktobra lasa teo, ny Malagasy mpitsara 15 mianadahy. 8 amin’izy ireo avy any amin’ny faritra ary ny 7 kosa avy eto Analamanga. Fiofa­na­na haharitra hatramin’ny ra­hampitso talata 31 oktobra, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ma­nam-pahaizana avy eo anivon’ny FIBA, i Leslie […]

Rugby « Mondial 2023 » : hanao famaranana ny Sprinboks sy ny All Blacks

Hotanterahina anio sabotsy 28 oktobra, any France, ny lalao famaranana ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja rugby. Ny ekipam-pirenena Springboks, Afrika Atsi­mo sy ny All Blacks, Nouvelle Zélande no hifanandrina amin’izany. Tsiahivina fa ny sabo­tsy sy ny alahady lasa teo izy ireo no tafavoaka tamin’ny manasa-dalana. Raha hiverenana izany, ny […]

Basikety N1A, vehivavy : fantatra ireo hiatrika ny manasa-dalana

Hiditra amin’ny lalao manasa-dalana anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, N1A, taranja basikety, sokajy vehivavy. Fantatra avokoa ireo ekipa tafakatra hiatrika izany, anisan’izany ny ekipan’ny Mb2All Analamanga. Ekipa anisan’ny nisongadina indrindra ity ekipa ity, satria fandresena 10 tamin’ny lalao 10 natrehany no norombahany. Izany hoe […]