Rehefa tsy heno nandritra ny fotoana maro i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar teo aloha, fantatra fa nahazo fifanarahana atsy Soudan Atsimo. Izy no hitondra ny Bright stars, ekipam-pirenena eo amin’ny fifanintsanana ny «Mondial 2026». Nambaran’ny federasion’ny baolina kitra Soudan Atsimo (SSFA), omaly zoma, tao amin’ny tambajotran-tseraserany fa […]
Fanatajahantena
Tompondaka Nasionaly an-tsekoly : hifantenana mpilalao hiatrika fifaninanana
Hanomboka ny sabotsy 28 oktobra hatramin’ny alakamisy 2 novambra izao, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly an-tsekoly, eo amin’ny taranja baolina kitra. Tafiditra anatin’ny fandaharanasan’ny Kaonfederasiona Afrikanina ny baolina kitra “African Schools Championship” izy ity, iaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Sekoly avy amin’ny DREN miisa […]
Basikety N1A: hiditra amin’ny ampahefa-dalana anio
Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana anio, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, taranja basikety. Fifaninanana tontosaina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Eo amin’ny sokajy vehivavy, lalao ampahefa-dalana voalohany, ny fifanandrinana eo amin’ny MB2All Analamanga sy ny Serasera Vakinankaratra. Hitohy amin’ny fifandonan’ny TGBC Betsiboka sy ny Fandrasa Matsiatra Ambony izany. Hihaona aorian’izay […]
Filaharan’ny FIFA: nijanona eo amin’ny faha-108 i Madagasikara
Tsy nihetsika ny laharan’ny Barea de Madagascar tao amin’ny FIFA. Ny volana novambra ho avy izao, hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila ny “Mondial 2026” ny ekipa nasionaly malagasy. Taorian’ny lalao ara-pirahalahiana nataon’ny FIFA, ny 9-17 oktobra lasa teo. Tsy niova teo amin’ny faha-108 ny laharan’ny ekipam-pirenena malagasy Barea de […]
“Road to BAL” : mafy ny mpifanandrina amin’ny «Cospn»
Tsy hiandry ela fa vao mifarana ny fifaninanana nasionaly N1A, amin’ny fiantombohan’io herinandro io, hiatrika ny fanomanantena amin’ny “Road to BAL, Élites 16” avy hatrany, ny Club omnisport de la police nationale (Cospn) Madagasikara, araka ny nambaran’ny filohan’ny Cospn, Samy Harison Olivier. Mafy, hoy izy, ireo mpifanandrina amin’ny Cospn, ao amin’ny vondrona […]





