Fanatajahantena

Kitra – «Ligue des Champions 2023» : hanomboka anio ny fifaninanana D2 nasionaly

Handray lalao amin’ny fifaninanam-pirenena “Ligue des Champions 2023” ireo faritra efatra eto Madagasikara. Anisan’izany Antsiranana, Ambatondrazaka, Tsiroanomandidy, Toliara. Hotanterahina manomboka anio 4 aogositra ny fifaninanana «Ligue des Champions 2023», taranja baolina kitra. Araka ny fikarohana natao omaly, amin’ny 12 ora sasany ny solonte­nan’ Analamanga, FC Rouge no hiakatra kianja any […]

Elgeco Plus sy ny Gaborone United : hotanterahina ny 19 aogositra ny lalao

Araka ny fanambarana na­taon’ny klioba Gaborone United Botswana, omaly, ho­tontosaina ny 19 aogositra ho avy izao, ao amin’ny kianjan’i National Botswana, ny fihaonan’izy ireo amin’ny Elgeco Plus de Madagascar. Marihina fa dingana mandroso amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, “Coupe de la Confederation CAF”, ity lalao ity. Ny 25 na 26 na 27 […]

Judo-Frankôfônia : votsotra teo an-tanan’ i Mireille ny medaly

Judokas tokana tafakatra tamin’ny dingana farany, omaly, tamin’ireo Malagasy nifaninana teo amin’ny taranja Judo, ao anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia, Andriamifehy Mireille (-52kg). Votsotra teo am-pelatanany anefa ny me­daly alimo, rehefa resin’ny mpifanandrina taminy, Ka­me­rone, izy. Tsiahivina, nandresy tamin’ny Ippon, nanoloana ny Judokas Senegale, i Sonko Dioddo, i Mireille, ta­min’ny fifanintsanana. Ho […]

Kitra – Fifanintsanana Can 2023: ny 7 septambra ny fihaonan’i Angola sy i Madagasikara

Hotanterahina ao amin’ny kianjan’i National de Lubango, ny 7 septambra ho avy izao ny fihaonana miverina eo amin’i Angola sy i Madagasikara. Marihina fa andro farany amin’ny fifanin­tsanana “Can Côte d’Ivoire 2023”, taranja baolina kitra, ity lalao hatao ity. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. […]

Kitra – «JIOI 2023»: tsy raikitra ny fihaonan’i Kenya sy i Madagasikara

Tsy afaka miatrika ny lalao ara-pirahalahiana, atao etsy amin’ny kianja Barea Maha­masina, ny 15 aogositra ho avy izao, ny Palanças Negras Kenya. Marihina fa hitsapa ny Barea de Madagascar izy ireo amin’izany. Raha ny fanazavana voaray, tsy tontosa ny fi­haonana noho ny hamaroan’ ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenen’i Kenya hiatrika […]