Nivarina any amin’ny laharana fahadimy ny ekipan’ny Manchester City, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre “Premier League”, taranja baolina kitra. Tsiahivina fa resin’ny Liverpool tamin’ny isa 2 no ho 0 izy ireo, omaly. Ny ekipan’ny Liverpool izay mitana ny laharana voalohany amin’ity fifanintsanana ity. Nahazo fandresena tamin’ny isa 1 no […]
Fanatajahantena
Run – Final Round : Tompondakan’i Madagasikara i Bobo
Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Base aéronautique 213 Arivonimamo, ny dingana fahadimy sady farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny Run na ny Final Round. Voahosotra ho tompondaka fanindroany indray Boarilaza Herizo (Bobo), nitondra ny fiara Mitsubishi Evo V avy amin’ny klioba BRC. Tontosany tao anatin’ny 9, […]
PFL : nanao ady sahala ny Mama FC sy ny AS A
Niakatra an-tsehatra ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny klioba vaovao amin’ity fifaninanana “Pureplay Football League (PFL)”, ity, ny AS Avenir Ste Anne. Nahazo isa iray izy ireo tamin’ity andro voalohan’ny PFL ity, rehefa nanao ady sahala, 1 no ho 1, tamin’ny ekipan’ny Mama FC. Tsara marihina […]
“Basikety-Africa Cup 3×3” : nomen’ny filoham-pirenena “prime” ny Ankoay
Noraisin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, omaly, ny Ankoay. Vao avy nandrombaka ny amboaran’i Afrika 3X3 izy ireo. Nahazo fanomezana avokoa ny mpilalao, ny mpanazatra sy ny staff teknika. Tsy niandry ela, ny ampitson’ny fandresena dia efa noraisina teny amin’ ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ireo mahery fo malagasy, nitondra […]
Ho fanomanana ny « Chan » : Hatao any Antsirabe ny fampivondronana ny Barea
Araka ny vaovao voaray tamin’ny loharanom-baovao iray, omaly, hanao fampivondronana any Antsirabe ny Barea Chan, ka ny talata ho avy izao izy ireo no handeha any an-toerana raha tsy misy ny fiovana. Tsiahivina fa miisa 50 ireo mpilalao antsoina amin’ity sivana faharoa ity, ka ny 31 amin’izy ireo, avy eto […]