Fanatajahantena

Barean’i Madagasikara : Mpilalao telo avy eto an-toerana nahazo fiantsoana

Afaka folo andro! Hotanterahina ao amin’ny Kianja Rabat Maroc, ny 2 jona ho avy izao, ny lalao fitsapana izay hifanandrinan’ny Lion de l’Atlas Maroc amin’ny Barean’i Madaga­sikara. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny loharanom-baovao iray, misy mpilalao telo avy eto an-toerana efa fantatra fa nahazo taratasy fampiantsoana handrafitra ny ekipa nasionaly […]

Échecs : Tompondakan’i Afrika i Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra

Nanakoako tany Ouganda indray i Madagasikara! Voahosotra ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja Échecs, sokajy latsaky ny 14 taona, i Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra. Notontosaina tamin’ity herinandro ity, tany Ou­ganda, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja échecs, sokajy “Jeunes”. Tsy diso anjara tamin’izany i Ma­da­gasikara fa nanana solontena 11 mianadahy ary […]

SOMBIM-BAOVAO

Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Portugal, hiatrika ny Mondial 2026, ny mpanazatra Roberto Martinez, afakomaly. Mbola tazana anatin’izany ilay kalaza portiogey, Cristiano Ronaldo. Tsara marihina fa ity portiogey ity, mpilalao nanatrika Mondial betsaka indrindra, araka ny fikarohana natao, ity no fiadiana ny amboara maneran-tany fahenina atrehany. Taorian’ny fivoriana […]

Basikety 3×3 : Fantatra ireo mpilalao hanao “World Cup”

Nivoaka omaly, ny lisitra ofisialin’ny ekipa malagasy Ankoay, lahy sy vavy, hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety lalaovin’olona 3, izay hatao any Came­roun, ny 1 hatramin’ny 7 jona ho avy izao. Eo amin’ny sokajy lehilahy, mandrafitra ny ekipa i Solondrainy Alpha Arnol, Rakotovao Marco, Randriamampionona Elly ary Rasolomanana […]

Rugby : « Mbola ao amin’ny Uscar foana aho », hoy i Benjamin

Anisan’ireo nahafantarana ny Uscar Rugby, Randriamanantena Benjamin, izay mpandrindra ankapobeny ny ekipa. Fotoana ela tsy tazana intsony ny tenany. Ankehitriny miverina an-kianja indray izy. Nanambara ny antony tsy nahatazanana azy ary nitondra ny ho tohin’ny tantarany. Gazety Taratra (*) : Tsy ao anatin’ny tontolon’ny rug­by intsony ve i Benja­min? Benjamin (-) : […]