Ny ekipan’i Kirgizistan sy i Ouganda no hifandona amin’ny Barean’i Madagasikara, mandritra ny lalao ara-pirahalahiana. Tafiditra ao anatin’ny « Fenêtre Fifa », izay hatao amin’ny volana marsa ho avy izao, any Torkia, izany. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao, fantatra ny anaran’ireo firenena hidona amin’ny Barea amin’ny lalao ara-pirahalahiana. Hotontosaina ny volana […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina rahampitso, eny Antanikatsaka Itaosy, ny lalao miverina eo amin’ny FC Rouge sy ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny andro fahafiton’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Pureplay Football League (PFL) ». Mbola manala vela amin’io fihaonana io ny FC Rouge. Mitohy hatramin’ny faran’ny […]
Fief Mada – « Ma-Hery Futsal »: Misongadina ny Oniversite IUM
Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana, anio, etsy amin’ ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifanintsanana baolina kitra anaty efitrano ho an’ireo Oniversite, “Ma-Hery Futsal”, karakarain’ny Fief Mada. Anisan’ireo Oniversite tafita hiatrika izany ny IUM. Misongadina izy ireo anatin’ity fifanintsanana ity, satria nahita fandresena telo sy faharesena iray tao anatin’ny fifanandrinana efatra efa […]
Karate”Coupe de Mada” : Nosantarina tamin’ny fifampizarana
Fifampizarana teo amin’ny mpitsara sy ny mpitsabo no nisantarana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, sokajy ankizy sy vehivavy, teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano, omaly. Fifaninanana izay haharitra 4 andro, ka avy hatrany dia hiditra amin’ny ady, anio, hitohy hatramin’ny alahady 1 marsa. Natomboka tamin’ny fifaninanana ho an’ny ankizy […]
Rugby – XXL Top 12 : Hiady ho lohany ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray
Hanamarika ny andro fahenina amin’ny fifaninanam-pirenena taranja rugby “XXL Top 12” ny fifandonan’ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray. Hanala vela ny miaramila amin’ity. Ny fihaonan’ny roa tonta no hamaritra izay ho lohany amin’ny filaharana ankapobeny. Ho toy ny famaranana kely, araka izany, ny lalao. Hitohy etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, […]




