Fanatajahantena

Mikaikaika ny federasiona : marary ny fanatanjahantena eto Madagasikara

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny federasiona avy amin’ny taranja maro, omaly, manoloana ny zava-misy iainan’ny atleta malagasy. “Marary ny fanatanjahantena malagasy”, hoy ny antso nataon’ireo filohana federasiona, tetsy amin’ny foiben’ny Komity Olympika Mala­gasy Ivandry. Miantso dinika hiarahana amin’ny MJS ny “mouvement sportif”. “Tsy nitazona ny teny nomeny ny minisitera”, hoy ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao voaray omaly, miisa 50 ireo Malagasy mpilalao miatrika ny sivana faharoa amin’ny fandrafetana ny Barea de Madagascar, izay hanao ny fifanintsanana Chan 2024. Nambaran’ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tamin’io fotoana io, fa ireo mpilalao mifaninana eto an-toerana ihany no mahazo sehatra amin’ity Chan ity […]

Basikety – Fiba 3×3 : nanampy ny Ankoay ny fanjakana

Hiatrika ny fifaninanana afrikanina amin’ny taranja basikety lalaovin’olona telo, i Madagasikara, anio. Tonga nanome tsodrano azy ireo ny lehibena andrimpanjakana eto Madagasikara, omaly, tetsy Mahamasina. Mba ho fanampiana ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, lahy sy vavy, mandritra ity fifanintsanana afrikanina, “Fiba 3×3”, izay hatao eto Madagasikara, manomboka anio hatramin’ny alahady, ity. […]

Filaharan’ny Fifa : lasa laharana faha-115 ny Barea

Tsy mitsahatra ny mijotso ny laharan’i Madagasikara, amin’ny taranja baolina kitra. Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Fifa, nivarina ho faha-115 ny Barea de Mada­gascar raha toa ka faha-109 ny filaharana farany, izay nivoaka ny oktobra lasa teo. Nampidina ity filaharana ity ny faharesena roa azon’ny Ba­rea, tamin’i […]

SOMBIM-BAOVAO

Isa 4,5/11 no azon’i Tsinjoviniavo Aina Maha­sambatra, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Cadets, taranja Échecs. Fifaninanana izay natao tany Italie. Nisaotra izay rehetra nanampy azy i Aina, indrindra ny Tale Jeneraly Rakotozafy Rosa, izay reny mpiahy azy. Nisy ny fiofanana mahakasika ny Beach Volley notarihan’ny CAVB (Confédération Africaine […]