Raha tsy misy ny fiovana farany, hiatrika lalao ara-pirahalahiana roa ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa” hatao ny volana marsa ho avy izao. Hiatrika lalao ara-pirahalahiana roa ny Barea, mandritra ny “Fenêtre Fifa” amin’ny volana marsa ho avy izao. Araka ny siosion-dresaka mandeha sy ny filazan’ny loharanom-baovao iray […]
Fanatajahantena
Volley-« CAVB Zone 7 »: Ekipa 4 hihazo an’i Seychelles
Hotanterahina any Seychelles, ny 27 febroary hatramin’ny 7 marsa izao, ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, aty amin’ny faritra faha-7, eo anivon’ny CAVB, taranja volley-ball. Tsy ho diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena. Ahitana ekipa 4 (2 lahy sy 2 vavy) izy ireo. Ny GNVB, lahy sy vavy, […]
Karate-“Inter Makawa” : Nahatratra 215 ny mpandray anjara
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Espace Queen Fanomezantsoa Ambohimangakely, ny fifaninanana “inter Makawa”, taranja karate. Fifaninanana andiany faharoa, izay efa natomboka tamin’ny herintaona, ity fifaninanana ity. Nisy ny fitokanana ny Seiko No kai Kama nandritra izany, ankoatra ny fifaninanana sy seho Body karate izay nampiavaka ny hetsika. Natao […]
«Journée de l’UJSM» : Hatao ny 14 sy 21 marsa ho avy izao
Ao anatin’ny fandaharanasan-dRabenaivo Alain, filohan’ny Union des journalistes sportifs de Madagascr (UJSM), ny fandraisan’ ny mpanao gazety mikirakira ny fanatanjahantena anjara amin’ireo taranja misy eto Madagasikara. Nambarany fa misy ny fiaraha-miasa amin’ ireo ligy sy federasionina ka ampidirina ao anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo ny andro ho an’ny UJSM na “Journée de […]
Federasionina malagasin’ny tenisy: Lany ho filoha Andriantefihasina Hary Manohisoa
Vita omaly, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fivoriambe ara-potoana hifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny tenisy. Hitondra izany mandritra ny efa-taona manaraka indray Andriantefihasina Hary Manohisoa. Nahazo filoha vaovao ny taranja tenisy. Voafidy hitondra sy hitantana ny Federasionina, mandritra ny efa-taona manaraka indray, Andriantefihasina Hary Manohisoa. Nahazo vato 100 […]




