Andro roa mialoha ny fiadiana ny amboaran’i Afrika 3×3 hotanterahina eto Madagasikara, efa manomboka tonga ireo delegasiona avy amin’ny firenena afrikanina hiatrika ny fifaninanana. Delegasiona tonga voalohany i Mauritanie, izay nigadona teto Madagasikara, ny talata 26 novambra teo. Mpilalao 4 sy Staff 1 no mandrafira ny delegasiona avy any Mauritanie. […]
Fanatajahantena
Baolina kitra – PFL 2025: hanomboka amin’ny sabotsy ny fifaninanana
Izay vao tena raikitra. Hanomboka amin’ny sabotsy 30 novambra sy ny alahady 1 desambra ho avy izao, ny andro voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra Pureplay Football League (PFL 2025). Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasy (FMF), tao amin’ny tambanjotra seraserany, omaly, fantatra avokoa ireo ekipa miray kaonferansy, izay nozaraina […]
Tenisy : namoaka ny «My story of my tennis life» Ramiandrasoa Serge
Tsy navelany hatory amin’izao ny zava-bitany tamin’ny fotoam-piasany fa hampahafantarina ny taranaka aty aoriana. Natolo-dRamiandrasoa Serge, filohan’ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT) teo aloha, ny boky “My story of my tennis life”, mirakitra ireo fotoana samihafa. “Famaranana ny fihodinana ny kianja fa tsy ny tsipika farany”, hoy Ramiandrasoa Serge, filohan’ny Federasiona […]
Muay Thai Tournament : nangotraka ny katrok’ady
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Henri Fraise Ankorondrano, ny fifaninanana “Muay Thaï Tournament”.Nangotraka ny katrok’ady teny an-toerana, nanomboka teo amin’ny sokajy -30kg hatramin’ny 100kg. Ady anisan’ny nandrasan’ ny maro ny fifandonana teo amin’ ny Nounours (GISL) sy i Panda (Dam)/ sokajy 100kg. Nivoaka ho mpandresy, tamin’ny KO, i […]
SOMBIM-BAOVAO
Nisongadina indray ny Malagasy mpilalao tenisy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanao pao-droa mantsy Rajaobelina Iriela, nandritra ny “Circuit J30 Abidjan”, sokajy junior, vehivavy. Fihaonana natao tao amin’ny Kianja international Tennis Club de Sofitel ao Côte d’Ivoire. Raha tsiahivina, nandrombaka ny amboara ny olon-tokana sy olon-droa izy. Efa vonona tanteraka […]