Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy Andraharo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB) sy ny Yas Madagasikara. Nambaran-dRatsimandao Andriamanga Herilovasoa, filohan’ny Federasionina, fa 110 andro izay no nitondrany izany ary efa ela no naniriany hiaraka amin’ny Yas ka izao tafahoana izao. “Santatra izao fa irina ny hitohizany hatrany. […]
Fanatajahantena
Basikety 5×5 : Mpanazatra vaovaon’ny Ankoay i Mickael Pivaud
Volana vitsy taorian’ny nialan’i John Douaglin, nanendry mpanazatra vaovao ny Federasionina malagasin’ny basikety dia i Mickael Pivaud, hisahana ny fanazarana ny Ankoay, sokajy lehilahy, eo amin’ny basikety 5×5. Nambaran’ny filohan’ny FMBB, Ramaroson Jean Michel izany, omaly, teny amin’ny foiben’ny federasionina. Manomboka amin’ny fanomanana amin’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany no […]
Pureplay Football League (PFL) : Tsy manaiky ny hanaovana ilay « penalty » ho an’ny CFFA ny Cosfa
Taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny tomponandraikitry ny fifaninananam-pirenena (PFL), omaly, nanamafy ny Cosfa fa tsy hanaiky ny hanaovana an’ilay “penalty” ry zareo, fa manaiky kosa ny hanohizana ny lalao. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA), ireo tomponandraikitra anivon’ny ekipan’ny Cosfa miaramila, omaly. Nambaran’izy ireo, tamin’izany, fa manaiky […]
AfricanZ Dance : Manasongadina an’i Madagasikara
Hitondra ny traikefany any Alençon-Normandie, France, ny Malagasy mivondrona ao amin’ny “Alliance AfricanZ Madagascar”, izay manao ny “ AfricanZ Dance”, ny 20 jona izao. Tanjona amin’ny fandefasana ireo mpahay dihy voafantina ireo ny hampiofana ireo mpikambana liana any an-toerana sy te ho lasa matihanina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ka afaka mitarika […]
Rallye Motul : Hirefy 72 km ny dingana manokana (ES)
Hotanterahina ny zoma 29 sy ny sabotsy 30 mai ho avy izao ny Rallye Motul. Dingana voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena. Hikarakara ity hetsika ity ny klioba FMMSAM. 129, 240 km ny halaviran’ity rallye ity ary misy dingana manokana (ES) 8, izay mirefy 72 km. Anisan’ny lava indrindra ny eo Anjeva mihazo […]





