Fanatajahantena

Volley – JIOI 2023 : nanome 2 tapitrisa Ar ny minisitra mpiahy

Tsy mitazam-potsiny ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ny minisitra mpiahy, ho an’ny taranja Volley-ball. Lelavola 2 tapitrisa Ar no natolotry ny minisitry ny Rano sy Fanadiovana ary Fidiovana ny ekipam-pirenena. Solon’ny saran-dalana ity natolotra ity satria mbola fanazarantena “libre” no tanterahin’ny federasiona amin’izao. Anisan’ny minisitera mpiahy ity FMVB […]

Basikety – JIOI 2023 : hanofana ny Malagasy mpilalao i Naoufal Uariachi

Samy manao izay ho afany ao anatin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy ny federasiona tsirairay, amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny taranja basikety. Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy, Ramaroson Jean Mi­chel fa hiezaka ny hanome vokatra tsara araka izay azo atao ny taranja basikety. “Manoman-tena amin’ny fahafahan’ny FMBB ny ekipa nasionaly ka araka […]

Lalaon’ny Nosy – Karate : mpikatroka 47 hifantenana ny ekipam-pirenena

Nambaran-dRatefinana­ha­ry Emile, filohan’ny Fede­rasion’ny karate malagasy (FKM), tetsy By-pass, omaly, fa 47 mianadahy sisa ireo hifantenana ny ekipam-pirenena hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Izy ireo no miatrika ny fampivondronana farany. Ma­rihina fa 31 ireo hiaro ny voninahi-pirenena. Hiady ny me­daly volamena eo amin’ny fihetsika mirindra (Kata) sy ady (Kumite) izy ireo. […]

Basikety-“Africa North” : hitsara ny « Nations League » i Tojonirina

Tsy ny mpilalao ihany no mamiratra fa eo ihany koa ny mpitsara lalao. Nahazo fanendrena hitsara, mandritra ny fifaninana “Nations League Africa North “, hatao any Alzeria, ny Malagasy mpitsara iraisam-pirenena, Andriamanantsoa Tojonirina Harilala. Firenena miisa 6 eo amin’ny sokajy zazalahy, miampy firenena 6 eo amin’ny sokajy zazavavy no mandray […]