Fanatajahantena

Baolina kitra – PFL : Klioba telo tsy vonona ny hifaninana

Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao iray, omaly, fantatra izao fa klioba telo no tsy mbola naneho ny fahavononany hifaninana amin’ity fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”, taranja baolina kitra ity. Anisan’izany ny ASA Diana, sy ny FC Theo ary ny 3FB Toliara. Raha ny fanazavana azo, efa dila ny fotoana tokony handoavan’izy […]

«Mondial 2024» : Vonona ny ekipa malagasy amin’ny tsipy kanetibe

Ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanan-tena hiatrehina ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe ny ekipa malagasy, ankehitriny. Fametrahana ny paikady sisa ataon-dry zalahy. Vonona tanteraka ireo mpilalao hiatrika izany fihaonana an-tampony izany. J-10 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy olon-telo miaraka, lehilahy, […]

Sombim-baovao

Tontosa ny alahady alina teo, tany Etazonia, ny fifaninanana “Musclemana America”. Ny solontena malagasy, i Fitiavana Mickael, no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’izany, raha ny vokatra. Efa ela nanomanana izy ary efa nanantena ny hibata ny fandresena rahateo. Hotanterahina any Mahajanga, eny amin’ny Village Touristique, ny fiadiana ny tompondaka Zone […]

Taekwondo “ITF Mada 2024”: Hamoahana ekipam-pirenena ny fifaninanana

Notontosaina ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja Taekwon-do ITF. Araka ny nambaran’Andri­anjaka Miora, filohan’ny kaomisionin’ny Taekwon-do ITF (TKD ITF) eto Madagasikara, natao handrafetana ny ekipam-pirenena hiatrika ny fifanintsanana iraisam-pirenena sy eto amin’ny faritra Afrika ity fifaninanana nasionaly ity. Nilaza ihany koa […]

Ramaroson Jean Michel ; Voafidy ho filoha lefitry ny Fiba Afrika

Vaovao tsara no nitranga teo amin’ny taranja basikety, izay nahavoafidy an-dRamaroson Jean Michel, ho filoha lefitry ny Fiba Afrika. Notanterahina tany Abid­jan Côte d’Ivoire, ny herinandro teo, ny fivoriambe faharoan’ny birao foiben’ny Fiba Afrika. Fotoana ihany koa nanatanterahina ny fifidianana izay hitantana ity taranja ity indray mandritra ny 4 taona […]