Fanatajahantena

Lalao Olympika amin’ny ririnina : Faha-50 i Mialitina Clerc

Niditra an-tsehatra ny alahady lasa teo i Mialitina Clerc, teo amin’ny fifaninanana fikorisana amin’ny ranomandry, lalao Olympika fanao amin’ny andro ririnina. Fifaninanana notanterahina tany Milan-Cortina, Italie. Nitana ny laharana faha-50 tamin’ireo mpandray anjara 76 niatrika ny Ski, ho an’ny Slalom géant ny tovovavy. 2 mn 31, 99 s ny fe-potoanany […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina ny sabotsy lasa teo ny fifaninanana “inter établissement”, andro faharoa, teo anivon’ny klioban’ny Makawa (Madagascar Karate-do Wado), taranja karate. Ankoatra ny fifaninanana, nisy ny fitokanana Seiko No Kai KaMa sy Body karate, nandritra izany. Tonga nanotrona izany, teny amin’ny Espace Queens Fanomezantsoa By-Pass, ny eo anivon’ny federasionina. Niditra tamin’ny […]

Seksiona Ambohidratrimo : Nanokatra ny taom-pikatrohana 2026

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pikatrohana 2026 ny eo anivon’ny seksiona Ambohidratrimo, taranja basikety, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Para Ivato. Fanamarihana ny taona amin’ny fahombiazana no tanjona ho an’ny seksiona, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotondrabe Rija, nandritra ny lahateny nataony. Nohamafisiny fa fanamby no apetraka amin’ity taona ity […]

“Pureplay Football League” (PFL) : Cosfa sy Disciples, tsy mbola resy hatreto

Mizotra miandalana ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Samy tsy mbola resy hatramin’ny nanombohan’ny fifaninanana ny Cosfa sy ny FC Disciples. Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, ny andro fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (Pureplay Football League). Ekipa roa no misongadina amin’izao […]

Lutte – Mada 2025 : Nifantenana ireo ho ekipam-pirenena

Tontosa soa aman-tsara, tetsy amin’ny Kianja mita­fon’Ankorondrano, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena taranja tolona, sokajy U17, U20, U23 ary Senior, lahy sy vavy, nokarakarain’ny federasionina (FML). Nambaran-dRavelo­son Mamitiana, filohany fa manana lanjany izy ity. Voa­lohany, hifantenana ireo mpilalao handrafitra voalohany ny ekipam-pirenena hiatrika ny fiadiana ny […]