Nivoaka ofisialy, omaly alarobia 10 mey, ny lisitry ny delegasiona malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja basikety 3×3, hatao any Autriche, ny 30 mey hatramin’ny 3 jona izao. Mpilalao 4 mirahalahy (Livio, Fiary, Elly ary Arnol) miaraka amin’ny mpanazatra, Randrianarivelo Jean de Dieu (Deda), ary ny filohan’ny […]
Fanatajahantena
Judo-Tompondaka eran-tany: hiditra an-tsehatra anio Rasoanaivo Laura
Nahavita ny fandanjana, omaly 10 mey, i Laura ary hifaninana anio, eo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 70 kg, Senior, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja Judo. Fifaninanana izay efa nanomboka ny 7 mey lasa teo saingy anio ny anjaran’ny solontena malagasy. Araka ny fampitam-baovao, nigadona tany Doha Qatar, ny […]
Fibatana fonjamby-Afrika : iray ihany ny atleta malagasy
Hanainga, anio, ho any Tonizia ny delegasiona malagasy hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja fibatana fonjamby, hatao ny 12 hatramin’ny 19 mey izao. Atleta iray ihany no afaka mandray anjara noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, araka ny nambaran’ny federasiona malagasin’ny fibatana fonjamby, Randriamanarivo Harinelina, omaly. Efa ela, hoy izy, […]
Rugby – «Women’s cup 2023» : hidona voalohany amin’ny Makis Ladies i Kenya
10 andro mialohan’ny hanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, anio. “Women’s Cup 2023” ho an’ny Diviziona 1. Fihaonana hampiantranoan’i Madagasikara, ny 20 hatramin’ny 28 mey ho avy izao. Firenena efatra no hiady lohany amin’izany dia i Madagasikara, i Cameroun, i Afrika Atsimo ary i […]
Kung-Fu 43 taona : nanome ra ho an’ny mpiray tanindrazana
43 taona no nampidiran’ny Grand Maître Pierre Mizael (Pierre Be) ny Kung-fu Wisa voalohany teto Madagasikara. Nanombohana ny fotoam-pankalazana ny fanomezana ra ho an’ny vahoaka malagasy. Nanaovan’izy ireo izany ny tobim-pahasalamana manerana ny Nosy. 2 000 eo ho eo ireo mpanome ra avy eto Analamanga, Boeny, Itasy, Bongolava sy toerana […]





