Hotanterahina rahampitso alahady ny fifaninanana “XXL Top 20” taranja rugby. Hifandona amin’ny lalao voalohany ny Cosfa sy ny JSTA Ambondrona, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka amin’ny 9 ora maraina. Lalao andrasan’ny rehetra ny fihaonana eo amin’ny Cosfa sy ny Ambondrona. Tsiahivina fa ekipa nanao lalao famaranana ny “Super coupe Mada […]
Fanatajahantena
Volley-CCCZone 7: hanomboka anio ny fifaninanana any Maorisy
Hanomboka anio, ao Maorisy ny andiany faha-27, amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka Faritra faha-7 (CCCZone 7), taranja Volley ball. Klioba 3 ny solontena malagasy. Klioba 3 ihany no lasa hiatrika ny “CCCZone 7” any Maorisy, raha toa ka klioba 4 tany am-boalohany no fantatra fa handray anjara. Efa nanainga […]
Kitra – OPL : niakatra faharoa ny Ajesaia
Lasa laharana faharoa ao amin’ny kaonferansy avaratra ny Ajesaia Bongolava. Resiny tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Asa Diana. Lalao notanterahina ny alarobia lasa teo, teny Ambohidratrimo. Fifandonana tafiditra amin’ny andro faha-10 amin’ny fifaninanana “Orange Pro League”. Tsiahivina fa nanokatra ny isa voalohany ny Asa, baolina tafiditr’i Oelinot teo […]
Kick boxing – Lalaon’ny Nosy 2023 : efa tapaka ny fitsipika hifehy ny fifaninanana
Tontosa tamin’ny 13 febroary lasa teo ny fivoriana nandinihana ireo fitsipika hifehy ny taranja kick boxing, mandritra ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy. Tamin’ny alalan’ny “visioconférence” no nizoran’ny fivoriana, ka nandray anjara tamin’izany avokoa ny solontenan’i Maorisy, La Réunion, Seychelles, Mayotte ary i Madagasikara. Tsiahivina, ny discipline Low Kick no […]
Basikety 3×3-Alley Hoop: hifarana ny 1 marsa ny fisoratana anarana
Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fifaninanana «Alley Hoop 3×3», taranja basikety, amin’izao ny Radio des Jeunes (RDJ), miaraka amin’ireo mpiara-miombon’ antoka aminy. Mbola manana hatramin’ny 1 marsa, hisoratana anarana, ireo maniry handray anjara. Eny amin’ny RDJ Analakely ny taratasy fisoratana anarana, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Tsiahivina, ny 3, 4 ary 5 […]




