Miharatsy ny vokatra azon’ ny Paris Saint Germain Fc, klioba Frantsay. Mitetika ny hanala an’i Christophe Galtier, Frantsay mpanazatra PSG ary hamerina an’i Thomas Tuchel, Alemà mpanazatra ity klioba frantsay ity. Raha ny vaovao hita tao anaty tambajotra – tserasera omaly, nametraka fepetra roa i Tuchel vao hiverina. Anisan’ izany […]
Fanatajahantena
Basikety : hiofana any Le Caire ny Ankoay
Handeha ho any Le Caire, Egypta ny Ankoay U19 lehilahy. Hiatrika fiofanana, hiatrehana ny fiadiana ny “Mondial 2023”, taranja basikety, hatao any Hongrie ny 24 jona – 2 jolay, ny anton-dian’izy ireo. Hotanterahina ny volana avrily ho avy izao ity fiofanana ity, ary haharitra 15 andro. Araka ny nolazain-dRamaroson Jean […]
Lalaon’ny Barea sy Centre Afrique : nangatahin’ i Eto’o hatao any Cameroun
Tsy nahazo alalana handray lalao iraisam-pirenena ny kianjan’i Bangui Centre Afrique. Nampindrana ny kianja Douala, any Cameroun ho an’ny Federasion’i Centre Afrique taranja baolina kitra (FACF) i Samuèl Eto’o, filohan’ny Federasiona Kameroney. Natao handraisan’izy ireo ny lalao miverina hihaonan’ny Barean’i Madagasikara sy i Centre Afrique, ny 27 marsa ho avy […]
Volley – CCCZone7 : vonona ny klioban’ny GNVB
Hanainga rahampitso ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de Volley-Ball), hiatrika ny andiany faha-27 ny fiadiana ny amboaran’ny tarika tompondaka aty amin’ny faritra faha-7. Vonona tanteraka ireo mpilalao, raha ny nambaran’ny filohan’ny klioba, Chef d’Escadron, Commandant Fortunat, tetsy Ankorondrano, omaly. Mpilalao 12 eo amin’ny lehilahy ary 9 kosa ny vehivavy, miampy […]
Minisitra Andre Haja Resampa: hanohy sy hanatanteraka ny asa efa natomboka
Nanome toky ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao, i Andre Haja Resampa, fa hanohy izay ezaka rehetra nataon’ny minisitra teo aloha, i Tinoka Roberto sy ny ekipany. Nivoitra izany nandritra ny fifamindram-pahefana, omaly, teny Ambohijatovo. Andraikitra goavana miandry ny lalaon’ny Nosy, hatao afaka 6 volana. “Tsy mora izany […]




