Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, ny fifaninanam-pirenena « XXL Top 20 », taranja rugby. Lavon’ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa 40 no ho 24, ny Uscar. Raha hiverenana ny lalao, hita nifandanja tsara ny fifanandrinan’ny roa tonta. Porofon’izany, tsy nahitana “essaie” nandritra ny 26 minitra nilalaovana teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, saingy […]
Fanatajahantena
Orange Pro League: hiatrika “Playoff” ny Mama FC sy ny Disciples
Ny Mama FC sy ny Disciples FC no ekipa roa hanampy ireo klioba dimy efa tafita hiatrika ny “Playoff OPL 2023”, taranja baolina kitra. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny Mama FC sy ny Disciples FC, nandritra ny lalao nataon’izy ireo teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus […]
«Trophy Barthès U20»: nosakanan’i Tunisie ny lalan’ny Makis de Madagascar
Tapitra teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny dian’ny Makis de Madagascar, sokajy U20 eo amin’ny fiadiana ny «Trophy Barthès 2023 ». Nosakanan’i Tunisie ny lalan’ny Malagasy. Niondrika teo anatrehan’i Tunisie, tamin’ny isa mazava 50 no ho 10 ny Makis de Madagascar sokajy zandriny U20, teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, niadiana ny “Trophy Barthès”. […]
« Mibala Tournament »: hafana ny lalao famaranana rahampitso
Ho fantatra rahampitso alahady 23 avrily izay ho tompondakan’ny andiany voalohan’ny fifaninanana “Mibala Tournament”, izay hatao ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Lalao basikety karakarain’ny ISPM (Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar) ho an’ny Oniversite. Hafana tanteraka io rahampitso io, araka ny nambaran’ny Talen’ny serasera eo anivon’ny ISPM, Rabaonary Tantely. Ankoatra ny […]
Karate : ho avy eto an-tanindrazana ny Sensei René
Ho avy eto an-tanindrazana, ny 25 avrily ho avy izao, ny Sensei Ramanitrandrasana René, 10ème Dan amin’ny taranja karaté. Araka ny voalazan’ny filohan’ny komity mpikarakara, Sensei Rakotonirina Marcel, omaly, teny Ambatomaro, hanome fiofanana ny Sensei René amin’ny 27 – 28 avrily ho avy izao. Raha ny fanazavan’izy ireo, misokatra ho […]





