Hifarana anio ilay lalao ara-pirahalahiana taranja basikety, izay natao hitsapana ny ekipa malagasy ary hanomanan’i Mayotte ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), izay hatao eto amintsika. Araka izany dia hitambatra ho ekipa iray ny GNBC sy Cospn raha hihaona amin’i Mayotte. Lalao hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsiahivina fa lavon’ny […]
Fanatajahantena
Orange Pro League Awards : mpilalao dimy hisafidianana izay mpilalao mendrika
I Dax, mpilalaon’ny Fosa Junior FC, i Nina, mpiandry haraton’ny Elgeco Plus, Stephano, vodilaharan’ny Dato FC, i Lalaina mpilalao afovoan’ny CFFA Andoharanofotsy ary i Rojobe, mpilalao Ajesaisa taloha no hisafidianana izay mpilalao mendrika tamin’ny taona 2022, amin’ ity “Orange Pro League Awards” ity. Izy ireo izany no hita fa namiratra […]
Rugby – «Super Coupe Mada»: hifandona ny Cosfa sy ny FTM
Ho fanomanana tsara ny fifaninanana “XXL Top 20” rugby, hisy ny lalao fihantsiana hihaonan’ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray. Araka ny vaovao voaray omaly, mitondra ny anarana hoe “Super coupe de Madagascar” taona 2023 ity lalao ity. Fihaonana izay hotanterahina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. […]
Malagasy Rugby : nivoaka ny fahazoan-dRakotomalala Marcel alalana hitantana
Voavaly ny fangatahan’ireo klioba sy ligy nitaky ny “certificat de conformité” an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy rugby. Neken’ny minisitera ny maha filoha azy. Nomen’ny eo anivon’ ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena an-dRakotomalala Marcel, ny alatsinainy lasa teo, ny taratasy fahazoan-dalana hitantana ny Malagasy Rugby sy ny taratasy manamarina ny maha […]
Basikety-Fanomanana JIOI: hanamafy ny fandreseny an’i Mayotte ny GNBC
Hiditra amin’ny lalao miverina, amin’ny fanomanan-tenan’ny lalaon’ny Nosy, anio, ny ekipan’i Mayotte sy ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena malagasy GNBC. Lalao hatao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsiahivina fa efa resin’ny GNBC tamin’ny isa 61 no ho 54 ny ekipan’i Mayotte, ny talata 7 febroary lasa teo ka izao hanamafy ny fandreseny […]




