Fanatajahantena

Kick Boxing-JIOI : mikotrana in-3 isan-kerinandro ny atleta

Manomboka miditra amin’ ny fampivondronana ihany koa ny mpikatroka eo anivon’ ny taranja kick boxing, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Mbola mandeha tsikelikely anefa izany, noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, araka ny nambaran’ny Tale teknika nasionaly ny fede­rasiona, i Anigael Gastros. Fanazarantena iraisana in-3 isan-kerinandro ihany aloha izao no hatao […]

Tsipy kanetibe : lasan’ny BIC sy ny C2BA ny amboara sy ny lelavola

Tontosa teny amin’ny kianja PAC Ampitatafika, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, ny fanokafana ny taom-pilalaovana, ho an’ny federation sport boule malagasy (FSBM). Fifaninanana ho an’ireo mpilalao manana kara-pilalaovana ara-dalàna, nanamarihana izany fanombohana izany. Nisongadina teo amin’ny sokajy “sénior” lehilahy BIC sy ny C2BA Vakinankaratra ho an’ny vehivavy. Resin’ny […]

Judo-Rasoanaivo Razafy Laura: « Mila matanja-tsaina raha te hahazo fandresena »

Vokatra tsara ny azon’i Laura, judokas malagasy, tao anatin’ny herinandro. Mitantara ny niainany sy nanomanany ireny fifaninanana ireny izy. Gazety Taratra (*) : Nanao ahoana ny niatre­hana ny « Open d’Afrique de Tunis » sy « Coupe d’Afrique d’Alger »? Rasoanaivo Razafy Laura (-) : Nahafinaritra ny niatrehana ny « Open d’Afri­que de Tunis » sy ny « Coupe […]

Fifanintsanana Can 2024: nivondrona nanomboka omaly ny Barea

Telo andro sisa, hihaona amin’ny les Fauves de Centra­frique ny Barea. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana Can Côte d’Ivoire 2024, ho­tontosaina ny alakamisy 23 marsa ho avy izao, etsy amin’ ny kianjan’ny Barea Mahamasina. Notanterahina omaly teny Mahamasina ny fampivondronana ny Barea. Tonga dia nanomboka ny fanazaranten’ izy ireo, taorian’ny nahatongavan’ireo […]