Resy lahatra ny masoivohon’i Angletera eto Madagasikara, fa velona sy mandroso ny baolina lavalava malagasy ary manana talenta amin’io taranja io ny Malagasy. Araka izany, tonga nanolotra fitaovana nahitana “maillots, faux-bas, short, tee-shirt” ary akanjo mafana ho an’ny mpilalaon’ny Makis vehivavy sy ny sokajy zandriny U16 sy U18 ny masoivohony, […]
Fanatajahantena
Beach Soccer : tolorana 5 tapitrisa Ar izay tompondaka
Hafana ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra lalaovina eny amin’ny torapasika (beach soccer), karakarain’ny Telma sy ny fikambanana Dola Beach. Hahazo lelavola 5 tapitrisa ariary izay voahosotra ho tompondaka amin’ny fifaninanana, raha toa ka 2 tapitrisa ariary ny an’ny ekipa faharoa. Araka ny fanazavan’ ny mpikarakara teny Andraharo, omaly. Hotanterahina any […]
Sombintsombim-baovao
Basikety – Ao anatin’ny fifantohana tanteraka amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany 3×3 sy ny U19 amin’izao, ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay. Mba hahafahan’izay fanomanana izay mizotra tsara araka ny tokony ho izy, nisy fanamboarana ny fandaharam-potoana amin’ny fifaninanam-pirenena. Naroso ny 2 hatramin’ny 7 mey araka izany ny fifaninanana dingana voalohany, amin’ny […]
Fifanintsanana- Can 2023: resin’i Centrafrique 3 no ho 0 i Madagasikara
Lavon’ny les Fauves avy ao Centrafrique tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Barean’i Madagasikara. Miampy isa telo ny an’ny ekipa mpandresy. Hotanterahina any Cameroun ny lalao miverina, amin’ny talata ho avy izao. Nalahelo sy kivy tanteraka ny vahoaka malagasy rehetra, nahazo vokatra ratsy ny ekipam-pirenena malagasy. Nomontsanin’ ny les […]
Basikety-« Mondial U19 » : tonga hiatrika fampivondronana Andriatsarafara Lova
Mpilalao anisan’ny voaantso hiatrika ny fampivondronana ho fanomanana ny “Mondial U19”, taranja basikety Andriatsarafara Lova. Anisan’ny mpilalao malagasy mila ravinahitra any ivelany, nitondra ny anjara birikiny tanteraka ka nahazoana ny vokatra tsara nandritra ny “Afrobasket U18”, ny taona 2022 farany teo izy. Nigadona teto Madagasikara ny 21 marsa teo, i […]





