Tontosa ny alahady 12 marsa teo, tao amin’ny kianja mitafon’ny CRJS Toamasina, ny fifaninanana taranja kick boxing ho an’ny faritra Atsinanana. Fifaninanana hifantenana izay hisolo tena ny faritr’ Atsinanana, hiatrika ny fampiofanana hanomanana ny lalaon’ny Nosy. Miakatra amin’ny tsaratsara kokoa ny lentan’ny taranja kick boxing ao amin’ny faritra Atsinanana, raha […]
Fanatajahantena
GAMMA-Jaunbocus Muhamad : hampivondrona ireo mpanao haiady eto Madagasikara
Mandalo eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao, ilay Maorisiana, Jaunbocus Muhamad, sekretera jeneralin’ ny Jiu-jitsu African Federation (SJJAF) sady solontenan’ ny Global Association of Mixed Martial Arts (GAMMA) atsy Maorisy. Fanidroany amin’ izao no mivahiny eto Madagasikara ny tenany. Hampivondrona ireo mpanao haiady toy ny jiu-jitsu, grappling sy ny MMA no […]
Judo-Tomokazu Iwahori: mizara traikefa any Toliara
Raikitra ny « Tomokazu Training Camp » ! Fanomezana fanazaran-tena sy fizarana traikefa ataon’ilay Japoney tsara sitrapo, i Tomokazu Iwahori, miara-miasa akaiky amin’ny federasiona malagasin’ny Judo. Ny ligin’Atsimo Andrefana no misitraka izany voalohany, nanomboka tamin’ ity herinandro ity ary hitohy hatramin’ny 19 marsa ho avy izao. Misy amin’ireo mpikatroka ao anatin’ny ekipa nasionaly […]
Fifanintsanana Can 2024: nahemotra noho ny olana ara-bola ny fampivondronana ny Barea
Tsy raikitra ny fampivondronana ny Barean’i Madagasikara, saika hataon’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, omaly. Misedra olana ara-bola sy tapakila amin’ny seranam-piaramanidina, ahafahan’ireo mpilalao avy any ivelany mihazo an’i Madagasikara ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsy tontosa ny fikasana hampivondrona ireo mpilalaon’ny Barea nataon’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, omaly. Araka ny vaovao […]
Semi-marathon Telma – «Mada 2023» : hisy atleta maorisianina handray anjara
Hotanterahina ny alahady 26 marsa izao, eto Antananarivo ny fifaninanam-pirenena amin’ny semi-marathon, iarahana amin’ny Telma. Hiavaka ity andiany fahatelo ity noho ny fisian’ny mpifaninana maorisianina, handray anjara. Efa nandefasana fanasana ny renione saingy mety tsy ho avy noho ny fisian’ny fifaninanana, mifanakaiky amin’ity semi-marathon ity. Io no nambaran-dRaherison Dominique, filohan’ny […]





