Ho fiatrehana ny lalao hihaonan’ny Barea de Madagascar amin’i Centrafrique, ny 23 marsa ho avy izao, etsy Mahamasina dia hotanterahina anio ny fampivondronana voalohany ho an ‘ny ekipam-pirenentsika. Marihina fa lalao fifanintsanana handraisana anjara amin’ ny Can 2024, hatao any Côte d’Ivoire no ataon’ny Barea. Miisa telo ireo mpilalao ho […]
Fanatajahantena
Judo-Afrika Cadets/Juniors: hanana solontena 18 mianadahy i Madagasikara
Hotanterahina eto Madagasikara, ny herinandro faran’ny volana jolay 2023, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Cadets sy Juniors. 18 mianadahy ny judokas malagasy hifaninana. Araka ny efa nolazain’ny filohan’ny UAJ (Union africaine de Judo), Randrianasoloniaiko Siteny, ny faran’ny volana febroary lasa teo, raikitra fa handray ny fiadiana ny tompondakan’i […]
Makis de Madagasikara : nodimandry i Lanja na Lebigane
Misaona ny tontolon’ny rugby eto amintsika. Nodimandry ny alatsinainy 13 marsa, teo amin’ny faha-21 taonany, Andriamasinjanahary Lanja Fiononantsoa na Lanjabe Lebigane, mpilalaon’ny Makis de Mada. Taitra ny rehetra raha naheno ity vaovao mampalahelo ity, indrindra fa ireo akaiky azy. Matanjaka sy mahery i Lanjabe izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao. Anisan’ny […]
Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) : miandry ilay fampivondronana any ivelany ny atleta
Hatramin’izao, tsy mbola nisy filazana ny amin’ny fandefasana ireo atleta ao amin’ ny taranja fototra atletisma hiatrika fiofanana any Kenya sy Dakar eo amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), tanterahina eto Madagasikara ny 23 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Tsiahivina fa efa nanambara ny fahavononana ny […]
Rallye 2023 : hanomboka amin’ny volana mey ny fifaninanana
Miisa 5 ny fifaninanana ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja fanamoriana fiarakodia (rallye) ho an’ny taom-pilalaovana 2023. Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka ny volana mey ho avy izao izany ka hisantatra azy ny an’ny klioba FMMSAM. Ny volana jona kosa, ny “Rallye international de Madagascar” (RIM), izay […]





