Handeha ho any Le Caire, Egypta ny Ankoay U19 lehilahy. Hiatrika fiofanana, hiatrehana ny fiadiana ny “Mondial 2023”, taranja basikety, hatao any Hongrie ny 24 jona – 2 jolay, ny anton-dian’izy ireo. Hotanterahina ny volana avrily ho avy izao ity fiofanana ity, ary haharitra 15 andro. Araka ny nolazain-dRamaroson Jean […]
Fanatajahantena
Lalaon’ny Barea sy Centre Afrique : nangatahin’ i Eto’o hatao any Cameroun
Tsy nahazo alalana handray lalao iraisam-pirenena ny kianjan’i Bangui Centre Afrique. Nampindrana ny kianja Douala, any Cameroun ho an’ny Federasion’i Centre Afrique taranja baolina kitra (FACF) i Samuèl Eto’o, filohan’ny Federasiona Kameroney. Natao handraisan’izy ireo ny lalao miverina hihaonan’ny Barean’i Madagasikara sy i Centre Afrique, ny 27 marsa ho avy […]
Volley – CCCZone7 : vonona ny klioban’ny GNVB
Hanainga rahampitso ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de Volley-Ball), hiatrika ny andiany faha-27 ny fiadiana ny amboaran’ny tarika tompondaka aty amin’ny faritra faha-7. Vonona tanteraka ireo mpilalao, raha ny nambaran’ny filohan’ny klioba, Chef d’Escadron, Commandant Fortunat, tetsy Ankorondrano, omaly. Mpilalao 12 eo amin’ny lehilahy ary 9 kosa ny vehivavy, miampy […]
Minisitra Andre Haja Resampa: hanohy sy hanatanteraka ny asa efa natomboka
Nanome toky ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao, i Andre Haja Resampa, fa hanohy izay ezaka rehetra nataon’ny minisitra teo aloha, i Tinoka Roberto sy ny ekipany. Nivoitra izany nandritra ny fifamindram-pahefana, omaly, teny Ambohijatovo. Andraikitra goavana miandry ny lalaon’ny Nosy, hatao afaka 6 volana. “Tsy mora izany […]
Rakotomalala Marcel : nankatoavin’ny World Rugby
Afa-po tanteraka tamin’ny fitantanan-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby i Coralie Van Den Berg, solontenan’ny World Rugby, nandritra ny fitsidihana ny rugby teto Madagasikara. Araka ny tatitra izay nataony tamin’ireo mpanao gazety, omaly, teny Ankorondrano. Tsiahivina fa tomponandraikitra amin’ny fanohanana ny Rugby aty Afrika eo anivon’ny rafitra World Rugby Ramatoa Coralie […]





