Na dia efa vonona ny amin’ny fampivondronana aza ny federasiona, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy, voatery hahemotra izany, raha ny nambaran’ny Tale teknika nasionaly, Razafinjatovo Jean Honoré. Hihazo an’i Maorisy, hiatrika ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka faritra faha-7 (CCCZone7), avokoa ny ankamaroan’ny mpilalao mandrafitra ny ekipa nasionaly ny antony. […]
Fanatajahantena
Olan’ny rugby : manohana ireo ligy 5 mpanohitra i Fenohasina
Miombon-kevitra amin’ireo filohan’ny ligy 5: Betsiboka, Menabe, Atsinanana, Boeny, Vakinankaratra manohitra an-dRakotomalala Marcel, filohan’ ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Fenohasina, filohan’ny ligin’Analamanga rugby teo aloha. “Mitaky ny hanaovana ny fivoriambe tsy ara-potoana ny tenako, mba hijerena ireo rafitra an-tanan-tohatra toy ny “Séction”, ny ligy, ny Federasiona”, hoy ihany ity filohan’ ny […]
Kitra – Mouloudia AC : Nilalao sahady i Rakool
Nahazo toerana vetivety tao amin’ny klioba Mouloudia Club d’Alger, Razafindranaivo Koloina na Rakool, omaly. Nisongadina tanteraka Rakool nandritra ny fihaonan’ny Mouloudia AC sy ny US Biskra, lalao izay tafiditra amin’ny andro faha-17 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Algérie, diviziona voalohany. Nisaraka ady sahala tsy nisy nitoko, 0 no ho 0 […]
« Ligue des champions 2023 » : Hanala vela amin’ny Real Madrid ny Liverpool
Hotanterahina anio sy rahampitso ny lalao mandroso faharoa ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions 2023 » (LDC) taranja baolina kitra. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Real Madrid Fc, klioba espaniola sy ny Liverpool Fc, klioba anglisy. Dona hotanterahina ao amin’ny kianjan’i Anfield Angletera, […]
Ucef challenge U17: tompondaka ny AF Buffalo
Notanterahina teny amin’ny Kianjan’Alarobia, ny asabotsy lasa teo, ny lalao famaranana ny fifaninanana “Ucef Challenge U17”, izay nokarakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Union des Clubs et Ecoles de Football (Ucef). Tompondaka nandritra ny fifaninanana Play Off an’ny Ucef ny Academy Football Buffalo, raha toa ka ny Etoiles Filantes no […]





