Taorian’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja tenisy, natao tany Antsirabe, ny 5-11 desambra, nisy ny fivoriambe ara-potoana, notarihan’i Naina Zandina, filohan’ny Federasiona (FMT) sy ny ekipany, niaraka tamin’ireo filohan’ny ligim-paritra miisa enina dia Analamanga, Antsinanana, Matsiatra Ambony, Boeny, Vakinankaratra, Atsimo Andrefana, natrehin’ireo kaomisiona teknikam-paritra (CTR) sy ny solontenan’ny ministeran’ny […]
Fanatajahantena
Lomano-Tompondaka eran-tany: misolo tena ny Malagasy i Tendry sy i Jonathan
Hiditra an-tsehatra, anio, amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, 25 metatra, tanterahina any Aostralia. Malagasy roa ny misolo tena an’i Madagasikara. Hanomboka anio talata 13 desambra ao Aostralia, ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, 2022, taranja lomano, ho an’ny dobo filomanosana 25 metatra. Tsy diso anjara amin’ity fifaninanana ity i Madagasikara. I […]
Judo-“Tournoi de Tokyo pour les malvoyants” : Niatrika ady miisa roa i Nampoina Daniel
Nifarana, omaly, tany Tokyo Japana, ny “Tournoi pour les malvoyants”, nandraisan-dRakotoarivelo Nampoina Daniel, judokas malagasy jamba, anjara. Resy teo amin’ny traikefa sy teknika ity solontena malagasy ity. Uzbekistanais, tompondaka Olympika, medaly volamena, no nifanandrina voalohany tamin’i Nampoina, araka ny antsapaka natao. Araka ny fitantarany, nahazo wazari ilay teratany Uzbekistanais fa […]
Tenisy – Mada 2022: nanjakan’Analamanga ny fifaninanam-pirenena
Nifarana omaly, teto amin’ny kianja Acmil Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy, sokajy rehetra. Fifaninanana voalohany natao tany amin’ny faritra, ho an’ny federasiona malagasin’ny tenisy (FMT). Nanjakan’ireo mpilalaon’ Analamanga avokoa ny amboara teo amin’ny lalao famaranana, indrindra ho an’ny sokajy vehivavy. Isan’izany, ny nibatan-dRasendra Miotisoa ny fandresena, […]
Kitra vehivavy: tsy nomena kianja Vélodrome
Zendana ny mpanaraka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny baolina kitra vehivavy, omaly alahady teto Antsirabe. Tsy navela hotanterahina tao amin’ny kianja Vélodrome ny fifaninanana, noho ny fisian’ny baolim-pokontany. Manamaivana ny fifaninanam-pirenena izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny federasiona, izay nilaza fa efa nandefasana taratasy ny mpitantana ny tanànan’Antsirabe […]




