Nitranga ny tsy nampoizina, teo amin’ny andro fahefatra, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange Pro League”. Samy tojo faharesena avokoa mantsy ny CFFA Andoharanofotsy, tompondakan’i Madagasikara sy ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara. Omaly, tany amin’ny kianja Manakara, lavon’ny Dato FC, tamin’ny isa mazava, 2 no ho 0 […]
Fanatajahantena
Bodybuilding-Tompondaka eran-tany: nandrombaka medaly alimo i Stessy
Nifarana omaly, tany Thaillande, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja Bodybuilding. Tsy niveri-maina ny delegasiona malagasy fa niambozona medaly. Norombahin’i Madagasikara mantsy ny alimo iray. Tsy nitsanga-menatra i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, eo amin’ny taranja Bodybuilding. Fifaninanana notanterahina tany Thailande, ny 9 ka hatramin’ny 11 […]
Rallye Bosch CT Motors : nizotra tsy nisy tomika ny andro voalohany
Nizotra tsara ny andro voalohany amin’ny Rallye Bosch CT Motors. Nandray ny fiaingana avokoa ireo fiara 31 hifaninana amin’ity. Ny dingana manokana “ES” miisa 3 no notanterahin’ireo mpifaninana tamin’izany. Ny “ES 1”, nampitohy an’ny Radio Nederland sy Avaratsena Talata, mirefy 8, 56 km no natao voalohany. Ny “ES 2”, Ampaneva […]
Orange Pro League : hifandona ny Cosfa sy ny Uscafoot
Hiditra amin’ny andro fahefatra, anio sy rahampitso alahady, ny fifaninanam-pirenena taranja baolina kitra Orange Pro League (OPL). Lalao, hiavaka ny fihaonan’ny Cosfa sy ny Uscafoot, samy ekipan’ Analamanga, ao amin’ny kaonferansy avaratra. Lalao hotanterahina rahampitso alahady, eny amin’ny kianja Mahitsy. Ekipa diso mifankahalala tsara. Raha tsiahivina, efa lavon’ny miaramila tamin’ny […]
Judo-“tournoi pour les malvoyants”: nihaona tamin’i Sensei Akira Kai i Nampoina
Hotanterahina rahampitso ao amin’ny Kodokan any Japon, ilay “tournoi pour les malvoyants”, amin’ny taranja Judo. Manana solontena miatrika izany isika, amin’ny alalan’i Nampoina Daniel, izay efa any an-toerana. Raha ny vaovao voaray, nihaona tamin’i Sensei Akira Kai ity judokas malagasy ity, izay nitondra hery lehibe sy risi-po ho azy, amin’ny […]




