Notontosaina omaly, teny amin’ny kianjan’Alarobia, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka, «Yas Semi Marathon » andiany fahadimy, taona 2025. Nanjaka teo amin’ ny sokajy « seniors », ho an’ny alaviran-dalana 21 km, Rakotonirina Jean Claude, atleta lehilahy, avy amin’ny klioba AS Crown Antsirabe. Araka ny fanadihadiana natao, 1 ora sy […]
Fanatajahantena
DAKA AN-JORONY: Rehefa tiana io mahavelon-tsioka
Samy manana lalao iraisam-pirenena avokoa ny taranja rugby sy ny baolina kitra ato ho ato. Efa samy manoman-tena fatratra amin’izany avokoa ny andaniny sy ny ankilany. Ny baolina kitra hanafika any ivelany, saingy fihaonana fitsapana ny azy ireo. Ny an’ny baolina lavalava indray fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny […]
Karate-Africa Cup JKA : Nahazo medaly volamena 2 sy alimo 1 ny Malagasy
Malagasy mpikatroka mirahalahy no nisolo tena an’i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika JKA, taranja Karate. Fifaninanana notontosaina tany Afrika Atsimo. Tsara ny vokatra ho an’ny solontena malagasy, niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo anivon’ny JKA (Japan Karate Association), natao tany Afrika Atsimo, ny faran’ny herinandro teo. Medaly […]
Yas Coupe de Madagascar : Manohy ny diany ireo klioba hafa, haverina ny lalaon’ny Elgeco Plus
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kianja Elgeco Plus, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe de Madagascar ». Misy lalao iray tsy maintsy averina. Fantatra avokoa ny anaran’ireo klioba fito tafita amin’ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagascar, «Yas Coupe de Madagascar», taranja baolina kitra. Anisan’izany ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny 30 sy 31 mey ary ny 1 jona izao, any Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja beach-volley, ho an’ny taona 2025. Eny amin’ny torapasika, eo ampitan’ny Hopitaly Be no hanaovana ny fifaninanana mandritra ny 3 andro. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny taranja Jiu-jitsu, mandritra ny […]