Fanatajahantena

Taranja lomano: Tafajoro ny klioba OSA Natation

Nitsangana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 26 septambra 2026 lasa teo, ny klioba amin’ny taranja lomano Onde sportive d’Ankadindramamy (OSA Natation). Raha ny fanazavan’ny mpitantana, Rakotozanany Vahatra Ny Aina Miarimbola, natao ho an’ny daholobe ny klioba. Misy fampianarana ho an’ireo vao hianatra hilomano ary eo koa ny fanatsarana ny fomba […]

Fifanintsanana Can 2027 ; Nanao ady sahala tamin’i Tanzanie ny Barean’i Madagasikara

Sady tsy tsara no tsy ratsy, nanao ady sahala 1 no ho 1, teo anatrehan’ny Taifas Stars Tanzania, ny Barean’i Madagasikara, omaly, tany Maroc. Mbola sarotra ny dian’ny Malagasy mankany amin’ny “Can 2027” anatin’ity vondrona “L” ity. “Tsy nandresy nefa tsy resy!”. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Nifarana ny zoma lasa teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny seminera ho an’ny mpanazatra mpiandry tsatoby, taranja baolina kitra, sokajy tanora. Herinandro ny faharetan’izany ka nisian’ny fifanakalozana sy traikefa hanamafisana ny toeran’ny mpiandry tsatoby. Niala sasatra ireo klioba miatrika ny fifaninanam-pirenena, taranja basikety N1A lahy sy vavy, omaly. Mitohy […]

Fifanintsanana Can 2027: Hitady isa 3 amin’i Tanzanie ny Barea, anio

“Adin’ny samy resy”! Hifandona ao amin’ny Stade d’Honneur de Meknès, kianja atsy Maroc, anio, ny Barean’i Madagasikara sy ny Les Taifas Stars Tanzanie. Lalao tafiditra amin’ny andro faharoa, fifanintsanana Can 2027 ho an’ny vondrona “L”. Ma­rihina fa samy resy ireto ekipa roa ireto teo amin’ny andro voalohany. Raha tsiahivina, lavon’i […]

Volley-ball – Mada D1: Resin’i Farafangana ny Zandary

Niditra tamin’ny andro fahatelo, omaly, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasiakara, taranja volley-ball, sokajy D1 lahy sy vavy. Fihaonana tanterahina etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Anisan’ny vokatra nisongadina teo amin’ny sokajy lehilahy ny nandresen’ny CVBF Farafangana ny Pôle GN, tamin’ny seta 3 no ho 1 (18/25; 25/20 ; 25/22 ; 25/19). […]