Fianakaviana iray mifototra sy mivelona amin’ny fananganana fanaka sy haingo ao an-tonkatrano Randrianandrasana Miarisoa. Niatomboka tamin’ny fitsirian-kevitra hanatsara ny asa izay efa nataon’ny rafozany, an-taonany maro, izy. Tovolahy iray mamelona vady aman-janaka amin’ ny fanamboarana fanaka vita amin’ny vy sy melamina, Randrianandrasana Miarisoa, tompon’ny orinasa AMC Deco-Design. Araka ny fanadihadiana […]
Fiaraha-monina
Kalitaom-pampianarana: nanao atrikasa fanavaozana ny ES.DES
Nanatanteraka atrikasa fanavaozana (atelier de reforme) tetsy amin’ny Kianja Cnaps Vontovorona ny sekoly ambony tsy miankina ES.DES, ny alakamisy lasa teo. Atrikasa nahafahana nampihaona ireo mpampianatra rehetra eo anivon’ny sekoly sy ireo tomponandraikitra 20 any amin’ny faritra. « Kihon-dalana lehibe ahafahana mitodika sy hametrahana paikady entina miatrika ny 10 taona manaraka izao», […]
Voadika amin’ny teny malagasy: boky masina Korany 5 000 nozaraina
Natomboka ny faran’ny herinandro teo, teny Ankasina, ny fizarana ny boky masina Korany nadika amin’ny teny malagasy. Roa taona ny faharetan’ny asa fandikana, niarahan’ny tanora sy ny fikambanan’ny mpanabe silamo eto Madagasikara (APMM) ary ny foundation islamique Ansaar de l’Angleterra sy ny Organisation international pour la science et de la […]
Fikambanam-behivavy ao Toliara: nahazo tohana avy amin’ny filohan’ny Repoblika
Samy nahazo ny anjarany avokoa ny tokantrano marefo sy ny mpianatra ary ny fikambanam-behivavy ao Toliara. Notoloran’ny filohan’ny Repoblika fanampiana izy ireo. Nitohy tao amin’ny Kianja Maître Kira Toliara ny fizarana Vary tsinjo nataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny vadiny izay niompana manokana ho an’ireo fianakaviana marefo, ny faran’ny […]
Eto an-drenivohitra: 45 ireo zaza nitsoaka
Nihamaro isa ny filazana zaza very sy ombay mitady eny anivon’ny tambajotran-tsosialy amin’izao fotoana izao. Manodidina ny 45 ny isan’ny ankizy mitsoaka sy mandositra ny tranon-dray aman-dreniny teto an-drenivohitra, tamin’ity taona 2025 ity, raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisim-pirenena. 29 ny vehivavy amin’izy ireo, raha 16 ny lehilahy. Tandrevaky […]