Fiaraha-monina

Amadia : Mikarakara ETP ho an’ny olon-dehibe

Mikarakara hetsika Education thérapeutique (ETP) ho an’ny olon-dehibe miaina miaraka amin’ny diabeta ny fikambanana Amadia (Andia malagasy miady amin’ny diabeta), anio.Hiaraka handalina ny lohahevitra: ny diabeta sy ny tosidra izy ireo. Hitondra fampianarana amin’io fotoana io ny Dr Ramiandrisoa Lahitriniavo Ritchy. Eny amin’ny Clinique Amadia Faravohitra, manomboka amin’ny 9 ka […]

Fahaiza-mampiasa ny vaovao ara-toetr’andro : Niofana ny teknisianin’ny Faritra Androy sy Anosy

Ho fanatsarana ny fahaiza-mampiasa ny vaovao ara-toetr’andro, ho fiarovana ny mponina, nisy ny fiofanana ho an’ireo tomponandraikitra eny ifotony, mpiara-miombon’antoka ara-teknika ary teknisianina. Taorian’ny fiofanana ho an’ny mpanao gazety sy mpanentana amin’ny onjampeo tao Vatomandry, nanohy ny fampiofanana ny ekipan’ny Foibe famantarana ny toetr’andro. Tao Ambo­vombe no nanatontosana izany, nanomboka […]

Fahasalamana: Arahi-maso ireo avy any amin’ny firenena ahitana ebola

Araka ny naoty iraisan’ny minisitera laharana faha-569 momba ny fanamafisana ny fe­petra ara-pahalasamana eny amin’ny sisintany, voarara vonjimaika ny fidiran’ireo vahiny eto amin’ny tanin’i Mada­ga­sikara raha toa ka nandalo tany amin’ireo firenena voakasiky ny valanaretina ebola tao anatin’ny 21 andro. Ho fisorohana ny mety hidiran’io aretina io eto amintsika izany. […]

Voka-panadinana bakalorea : 39,21% ny taham-pahombiazana ho an’i Toliara, 51,57% ho an’i Toamasina

Raha ny vokatra ofisialy ho an’ny fanadinam-panjakana bakalorea efa nivoaka hatramin’ny omaly, ny tany Toliara no ambany indrindra ny taham-pahafahana. Mbola andrasana ny eto Antananarivo sy Antsiranana. Nivoaka omaly ny voka-panadinana bakalorea ho an’ny faritanin’i Tolia­ra, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitantana ny oniversite any an-toerana. Miisa 29 144 ireo […]

INDRAY MIJERY

Mitohy anio ny fanaovam-baksiny miaro amin’­ny aretina Mpox eny amin’ny Polyteknika Vonto­vorona. Entina manakaiky ny mpianatra ny vaksiny ary atao ny fanentanana sy fandresen-dahatra azy ireo hiaro tena amin’ny valanaretina. Nisy ireo mpianatra navitrika tamin’izany. Mialoha ny fanasaziana dia hanentana ny tompon’andraikitry ny fitaterana mahakasika ny tsy tokony hampiasana jiro […]