Fiaraha-monina

ISA Systems Week 1.0 : Hanasongadinana ny tetikasan’ny mpianatra

Tanterahina ny 18 hatramin’ny 22 aogositra ny hetsika ISA Systems Week 1.0 karakarain’ny mpianatra avy ao amin’ny mention Ingénierie des systèmes avancés ao anatin’ny Sekoly ambony politeknika Antananarivo, eny Vontovorona. Ho fampahafantarana ny zavatra vitan’ny mpianatra mandranto fahalalana ao izany. Manana sampam-piofanana roa ny ISA dia ny Mécatronique sy ny […]

Ihorombe : Nofanina ireo mpitantana tobim-panafiody

Nomena fiofanana tamin’ity herinandro ity ireo mpitan­tana tobim-panafody mpikambana matihanina (Gpromm) ao amin’ ny faritra Ihorombe. Mikendry ny fanatsarana ny kalitaon’ny varotra sy ny fanafody ary ny fitahirizana izany mba tena hitondra fahasalamana ho an’ny mpanjifa ny hetsika. Voalohany izao no nisy fampiofanana toy izao tao anatin’ ny faritra Ihorombe. […]

Jly Zafitasondry Marcellin : « Tsy misy firenena handroso raha tsy salama ny vahoaka »

Tontosa omaly ny fanofakana ny fankalazana ny faha-135 taona ny hopitaly miaramila (CenHoSoa). Nambaran’ny mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana, ny Jly Zafitasondry Marcellin, fa tsy misy firenena handroso raha tsy salama ny vahoaka ao aminy. Fanompoam-pivavahana tao amin’ny trano fivavahana katolika ao amin’ny CenHoSoa no nanokafana ny faha-135 taona ity hopitaly ity, […]

Vondron’ny mpampianatry ny oniversite : Mikaondoha ho an’ny voka-pikarohana

Mitohy hatramin’ny anio, ao amin’ny KSLMD Andrainjato, Fianaran­tsoa, ny fihaonambe isan-taona tanterahin’ireo vondron’ny mpampianatra raikitra sy mpampianatry ny oniversite manerana an’i Mada­gasikara (CPTPUM). «Ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sehatra marolafy sy ny fahitsiana ara-tsiansa ho an’ny siansa sy ny fampandrosoana maharitra ary mampiaty ny rehetra». Io ny lohahevitra iaraha-midinika ao anatin’ny […]

INDRAY MIJERY

Miseho amin’ny endrika marolafy ny fahitana taratra fa misy fampiasana zaza tsy ampy taona eto Madagasikara. Ny hamongorana ny soritra rehetra manome vahana ny fanerena ny ankizy hiasa anefa no tena tanjona. Lalana iray hahatongavana amin’izany ny fanarenana ny sosialim-bahoaka sy ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka. Manentana hatrany ny Malagasy […]