Fiaraha-monina

Seranan-tsambon’i Toamasina: Arahi-maso ny fampi­harana ny kaody ISPS

Manara-maso ny fampiharana ny fenitra iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny sambo sy ny seranan-tsambo na kaody ISPS ny Programa iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny seranan-tsambo (IPS) ny avy amin’ny Tafika an-dranomasina amerikanina U.S. Coast Guard. Nanatanteraka izany izy ireo ny herinandro teo ka nihaona tamin’ny ekipan’ny APMF Madagascar sy ireo […]

Namolavola boky torolalana ny Unicef: Zava-dehibe ny toeram-piasana manome lanja ny fianakaviana

Mampandroso ny toekarena ny fahafahan’ny mpiasa misitraka tohana sy fitsinjovana ny fiainam-pianakaviany satria afaka mamokatra am-pilaminana izy. Nanome toky ny fivondronan’ny orinasa eto Madagasikara (GEM) fa hampihatra ny boky torolalana manome lanja ny fianakaviana avy amin’ny Unicef. Nampahafantarina omaly, teny Antaninare­nina, ny boky torolalana novolavolain’ny Unicef, hananan’ny orinasa tsirairay toeram-piasana […]

INDRAY MIJERY

Nifarana omaly ny fanadinam-panjakana “Certificat d’aptitude à l’enseignement dans les écoles primaires” (CAE/EP ) an-tsoratra, taona 2025, izay naharitra roa andro. Natokana ho an’ireo mpampianatra hisehatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga voalohany ity mari-pahaizana ity. Notanterahina manerana ny Dren 23 eto Madagasikara izany, ka miisa 4 185 ireo mpiadina nisoratra anarana […]

Fampinonoan-dreny : Nahomby ny hetsika fanentanana

Fahombiazana no azo ilazana ny hetsika fanentanana momba ny fampinonoan-dreny nimasoan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manerana ny Nosy, nandritra ny herinandro. Manao ho vaindohan-draharaha ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny fanjakana. Misoratra mazava ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana rahateo izany. Antoka fototra hiantohana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny fampinonoan-dreny. […]

Fanairana momba ny loza : Tombanana ny ezaka vita

Tanterahina eny Andakana, hatramin’ny anio, ny atrikasam-pirenena momba ny Tanjona fahefatra mahakasika ny fanairana mialoha ho an’ny rehetra (EW4ALL), hisorohana ny fahavoazana rehefa misy loza. Iarahan’ny BNGRC, ny Croix-Rouge Malagasy, ny Fédération internationale des sociétés de la Croix-Rouge et du Croissant-Rouge na FICR ary ireo mpiara-miombon’antoka manatanteraka izany. Mikendry ny […]