Fiaraha-monina

Fahasalamana : niampy 20 ireo farmasianina mpanara-maso

Notolorana fanamarinam-piofanana tetsy amin’ny INSPC Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ireo farmasianina mpanara-maso ny fanafody miisa 20 mianadahy. Mandalina misimisy kokoa ny fomba fampiharana ny lalàna eo amin’ny sehatry ny fikirakirana fanafody izy ireo. Hanara-maso ny fampiharana ny didy aman-dàlana, ny fanarahana ireo fenitra amin’ny famokarana fanafody eto Madagasikara ihany […]

Festival des initiatives vertes : homezan-danja ny fiarovana ny tontolo iainana

Hotanterahina ny 31 mey sy ny 1 jona izao, etsy amin’ny Alliance francaise d’Antananarivo Andavamamba ny hetsika “Festival des initiatives vertes”, tohanan’ny Telma Madagascar. Tanjona ny hampiroborobo ny fiarovana ny tontolo iainana sy hanomezan-danja ny fampiasana ireo angovo azo havaozina, fanodinana ireo fako sy plastika isan-karazany… “Efa an-taonany maro ny […]

Amphithéâtre Fofifa : havaozina handraisana ny fihaonambe iraisam-pirenena siantifika

Manamarika ny jobily faha-50 taonany ny Fofifa. Ezaka fanavaozana ny efitrano malalaka fandraisana karazana hetsika no hanamarihina izany. Hasiam-panavaozana goavana ny Amphi­théâtre ao amin’ny foibem-pirenena momba ny fikarohana hampiharina amin’ny fampandrosoana ny eny am­banivohitra (Fofifa). Izay no tsangambaton’ny fankalazana ny faha-50 taona niorenany. Efa tamin’ny taona 1994 no natsangana ny […]

Fanabeazana ara-pananahana feno: «Tokony hifanaraka amin’ ny kolontsaina sy sosialy»

Tokony hatao mifanaraka amin’ny zava-misy ao anatin’ ny firenena iray amin’ny lafiny kolontsaina sy sosialy ny votoatin’ny fanabeazana ara-pananahana feno (éducation sexuelle complète). Io ny toromariky ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA), izay miara-mi­asa amin’ny firenena maro aty Afrika amin’ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fanabeazana aizana, hoy ny […]

Fahadiovana sy fidiovana: misoroka ny fahazoana aretina ny fanasana tanana

Nomarihina omaly tetsy amin’ny HJRA ny andro iraisam-pirenena amin’ny fanasana tanana amin’ny savony. Fo­to­ana hampahatsiavina ny re­he­tra ny maha zava-dehibe ny fanasana tanana izay fihetsika tsotra kanefa mahavonjy aina ary miaro amin’ny aretina maro. Nambaran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, fa azo sorohina amin’ny fanasana tanana avokoa ny 50%-n’ny aretina. Anisan’izany ny aretim-pivalanana […]