Manakaiky ny mponina ary hisorohana ny tsy fandriampahalemana ny fisian’ny tobin’ny zandary Talata Volonondry. Notokanana ny zoma 3 mey teo izany. Navadika ho tobin’ny zandary ankehitriny ny zana-tobim-paritra nisy teo aloha, ho an’ny ao Talata Volonondry. Manoloana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, niara-nisalahy nanao ezaka manokana ny kaominina ao an-toerana […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Nisy atrikasa ho fanamafisana ny fahaiza-manao, teto Antananarivo, ho an’ny minisitera isan-tsokajiny mahakasika ny rafitra vaovao maneran-tany momba ny zavamananaina. Anisany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nohazavaina ny zava-misy amin’ny fampiharana ny « Fifanarahan’ny Firenena mikambana momba ny zavamananaina eto Madagasikara, indrindra ny paikady nasionaly momba izany. Noravan’ny rivodoza Freddy tamin’ny taona […]
Fitorohana trangam-piarahamonina : nampahafantarina ny laharana maitso 930
Manentana sy mampahafantatra ny laharana maitso 930 ny ekipan’ny BNGRC sy ny PAM, ny herinandro lasa teo. Nanombohana izany ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Tanjona ny hanapariahana ity laharana ity, ahafantaran’ny olona ny fisiany sy ny fomba fampiasana azy ary indrindra ny hanentanana ny vahoaka hampiasa izany. Laharana […]
Ao anatin’ny hateloana: hanjaka ny volon’andro ririnina
Ny tsiokan’ny alizay no hamaritra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny. Ao anatin’ny volonandro ririnina tanteraka isika ato anatin’ny telo andro manaraka, araka ny fanazavan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hitovy ny maripana eto Antananarivo sy Antsirabe ary Fianarantsoa, ho an’ny anio, 14°C ny ambany indrindra ary 24°C […]
Fananahana ara-pahasalama : Rasazy iray misahana olona 16 000, mila ampitomboina ny isa
Tsy hisy vehivavy maty eo am-piterahana na mandritra ny fitondrana vohoka raha ampitomboina ny isan’ny mpampivelona, ahafahan’ny vehivavy rehetra miaina tsara ny fananahany ara-pahasalamana (isan’ny zaza ateraka, tsy firosoana amin’ny firaisana aloha loatra…) Nandray ireo vehivavy mitondra vohoka mila fitarafana, échographie, ny clinique mobile napetraka tany amin’ny distrikan’i Farafangana nandritra […]