Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Mitohy hatrany ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny hetsika « Fijery hafa », natao hanomezana fahaiza-manao maimaimpoana azo hampiharina avy hatrany. Anisan’ny notanterahina tamin’izany ny fiofanana momba ny fanamboarana mofomamy. Tanora miisa 20 no nisitraka izany, izay nomen’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Hetsika iray mikendry ny hanamafisana fahaiza-manao ho […]

Tetikasa « Kopakelatra » : Tavoahangy plastika 2,6 taonina voaangona

Tsy fialamboly sy fampisehoana fotsiny ny « Star Tour ». Fotoana hanaovan’ny Star hetsika ara-tsosialy, tafiditra anatin’ny Fandraisana andraikitra ara-piarahamonina (RSE) izay voiziny ihany koa izany. Iray amin’ireny ny tetikasa « Kopakelatra », izay na­tao hanangonana ireo tavoahangy plastika, mba hahodina ho lasa vokatra hafa indray. Nanomboka tany amin’ireo fokontany maro mponina, toa an’i […]

Taom-pianarana 2025-2026 : CEG 1 747 misitraka ny tetikasa “Eager”

Nampahafantarin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ireo CEG miisa 1 747 misitraka ny tetikasa “Eager” ho amin’ity taom-pianarana 2025-2026 ity. Miparitaka amin’ny Cisco 68, anatin’ny faritra 16, ireo sekoly voakasiky ny tetikasa dingana voalohany. Tanjona ny hisitrahin’ny faritra hafa izany tetikasa izany amin’ny taom-pianarana manaraka. Anisan’ny fanohanana lehibe entiny ny fanomezana vatsim-pianarana ho […]

« Gender Day » : Mampitovy fomba fijery ny fiarahamonim-pirenena aty Afrika

Notanterahina omaly, tetsy Ankorondrano, ny “Gender Day”, fihaonan’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiantsehatra amin’ireo firenena 16 anivon’ny Sadc. Ahitana ireo fiarahamonim-pirenena miantsehatra amin’ny fampiroboroboana ny vehivavy eo amin’ny sehatra samihafa izy ireo. Tanjon’ny «Gender Day» ny hampitovy ny fomba fijerin’ireo fiarahamonim-pirenena eo amin’ireo firenena 16. Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny […]

INDRAY MIJERY

Nosokafana ny fiandohan’ny herinandro teo, tao amin’ny Kianja Ampasambazaha Fianarantsoa, ny fifaninanana fanatanjahantena an-tsekoly taona 2025. Ny tale jeneraly misahana ny pedagojia, eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, no nanokatra izany. Lohahevitry ny fifaninanana ny “Regnina Fianarana ny Soa”. Nahatonga solontena avokoa ireo faritra 23 izay mifaninana amin’ny taranja telo (baolina kitra, […]