Nomen’ny Croix Rouge fiofanana ireo mpanentana ara-pahasalamana tao Lokomby, Vatana, Nato, Beretra, Ambila ary Mitanty, any Atsinanana. Ireo toerana misy monina kanefa tena lavitra toeram-pitsaboana no nanaovana izany hetsika izany ho famonjena aina ireo mponina tra-doza. Lasa andry voalohany manoloana ny fiatrehana ny loza ireo mpanentana ara-pahasalamana nahazo fiofanana. Mahafehy […]
Fiaraha-monina
Leo Club Antsirabe : Nanome tolotra fahasalamana
Nisy ny fitiliana diabeta 250 isa sy fizahana maso tsy voafetra avy amin’ny Leo Club Antananarivo sy Antsirabe ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Mudia Antsirabe Piste Vatofotsy. Anisan’ny sahanasa hiantsorohan’ny Lions club ny diabeta, ny fahitana, ny homamiadan’ny ankizy, ny tontolo iainana ary ny tsy fanjariana ara-tsakafo. Ny tanànan’Antsirabe […]
Tetikasa Tafita Jica : Hatsaraina ny lentam-pahaizana amin’ny sekoly miisa 13 000
Hisitraka ny fanohanan’ny japoney ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara. Sekoly fanabeazana fototra miisa 13 000 no hahazo tombony amin’izany. Nohamafisana nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, sy ny solontenan’ny tetikasa Tafita Jica, Odawara Kosuke, omaly, ny fiaraha-miasan’i Japon sy i Madagasikara amin’ny sehatry ny fanabeazana. Mifototra amin’ny […]
Itaosy : Voasambotra ilay mpiambina
Tratran’ny zandary ny mpivady, mpiambina tanàna, namaky sady nangalatra ny entan’ny mpampiasa azy tao Ambohimamory Itaosy, omaly. Miara-miasa ao amin’ny tanàna iray izy mivady ireo ka mpiambina tanàna rangahy. Nanararaotra ny tsy naha tao ny tompon-trano izy mivady ka nalainy ny fitaovana toy ny fatana fampiasa amin’ny gaz. Nahita olona […]
INDRAY MIJERY
Manodidina ny 3 hatramin’ny 22°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 14 – 34°C ny tolakandro. Ny tsiokan’ny varatraza antonony no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny. Hihamalefaka kosa izany amin’ny fisasahan’ny herinandro. Misy ny fampitandremana mahakasika ny haavon’ny alondrano sy ny hamafin’ny rivotra ho an’ny morontsiraka sasany. […]




