Manoloana ny vanim-potoana sarotra lalovan’ny firenena, izay miteraka havizanan-tsaina ho an’ny maro, mitondra fitsinjovana sy tohana maimaimpoana ny Holafitry ny Psykology eto Madagasikara (ONPM). Tolotra maimaimpoana sy an-tsitrapo momba ny tohana ara-tsaina no hataon’izy ireo amin’izany. Misy ny toerana hifampizarana azo antoka ho an’ny fihainoana sy fanohanana izay iarahana amin’ny […]
Fiaraha-monina
FMBM: Miezaka miarina taorian’ny faharavana
Anisan’ny voaroba ary nodorana mihitsy ny foiben’ny Fikambanana mampiely Baiboly(FMBM). Maro ny faharavana, saingy an-dalam-panarenana ny ekipa amin’izao fotoana. Mifarimbona amin’izy ireo ny tsara sitrapo sy ny avy amin’ ny fikambanana mpiara-mamaky Baiboly amin’ny fanadiovana sy ny famerenana amin’ny laoniny indray ity foiben- toerana ity. Maro ny kristianina tohina tamin’ny […]
“First Foods Africa”: Iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny ankizy aty Afrika
Mbola olana amin’ny fahasalaman’ny ankizy ny tsy fisitrahana sakafo ara-pahasalamana hitondra fitomboana ara-batana sy ara-tsaina eo aminy. Nametraka hetsika iraisana i Afrika iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo miaraka amin’ny Unicef sy ny Vondrona afrikanina. Nampahafantarina tamin’ ity herinandro ity, tany Cotonou (Bénin), ny “First Foods Africa” iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mianjady […]
INDRAY MIJERY
Nandray ny toerany amin’ny maha tale jeneraly misahana ny sekoly (DGES) eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena azy i Manolozato Clémentine Vola, omaly. Hanohy ny asa efa natomboka momba ny fitantanana ny sekoly ny tenany. Nandray ny foibem-pitondrany ihany koa Ranosy Eliane, amin’ny maha tale jeneraly eo anivon’ny ivontoerana nasionaly misahana ny […]
Vokatry ny baomba : Mitaraina ireo manana marary
Manoloana ny fihetsiketsehana ka andefasan’ny mpitandro filaminana baomba mandatsa-dranomaso, velon-taraina ireo manana marary, na any an-trano na any amin’ny hopitaly. Manaiki-maso, manempotra, mampikohoka ary manafotra mihitsy aza ny herin’ny entona aterak’ilay baomba. Tsofin’ny rivotra ary tafiditra any amin’ny efitrano fitsaboana marary, any amin’ny hopitaly ilay entona ka tena tsy zakan’ny […]





