Tafapetraka soa aman-tsara ny Chef d’antenne vaovao ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Asa, fampanananasa sy ny asam-panjakana, ao Diana. Maneho ny fanamafisana ny fisian’ny fanjakana any an-toerana ary koa ny fanatsarana ny tolotra ho an’ny mponina sy ireo orinasa izany. Miompana betsaka amin’ny lafiny fizahantany ny any Nosy- be ary ilaina […]
Fiaraha-monina
Analanjirofo : Nohavaozina ny drafitrasa hiatrehana ny rivodoza
Vita ny atrikasa nanavaozana ny drafi-piatrehana ny vanim-potoam-pahavaratra 2025-2026 ho fitantanana tandindon-doza sy ny loza ho an’ny faritra Analanjirofo. Tamin’izany no nahafahan’ny mpiantsehatra nanao jery todika ny asa natao rehetra nandritra ny fiatrehana ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy tany amin’iny faritra iny. Anisan’ny faritra lasibatra matetika amin’ny rivodoza ny any an-toerana […]
Fanofanana arakasa : Miara-miasa ny AIRC sy ny minisitera
Nihaona ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marceline, sy ny solontena avy ao amin’ny Agence internationale de recrutement Canadienne (AIRC), omaly. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fanofanana arakasa ho an’ny tanora sy ny mpiasa ny fihaonana. Teo koa ny fanombanana ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra sy mpiasa eny […]
Fampivoarana ny vehivavy : Maro ny ezaka vitan’i Madagasikara
Miatrika ny fivoriambe Beijing+30 ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta sasantsasany. Rahampitso no handray anjara amin’ny fihaonambe ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Omaly, nivoy ny ezaka amin’ny fanomezana sehatra ny vehivavy amin’ny lafiny maro mba hitondra fampandrosoana ny minisitry ny Mponina, nandritra […]
Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa : Nankatoavina ny paikady niomerika
Nankatoavina ny herinandro teo ny paikady nasionaly momba ny digitalisation ao amin’io minsitera io. Mikendry ny hanova ifotony ny sehatry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora amin’ny niomerika, mba hanamorana ny fidirana amin’ny asa, ity paikady ity. Eo koa ny fanavaozana ny fitantanana […]





