Hetsika roa sosona no notanterahina teo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, omaly. Samy mifototra amin’ny taotrano sy ny asa vaventy avokoa ireo. Notolorana ny taratasy manamarina ny fahavitan’ny fiofanana momba ny fananganan-trano sy ny asa vaventy ny tanora 85, lahy sy vavy, avy amin’ny faritra rehetra tonga niatrika […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Tombanana ho betsaka ny rotsakorana amin’ ny faritra afovoany atsinanan’ny Nosy, hatramin’ny anio. Ho an’ny faritra Atsinanana, Analanjirofo, Ambatosoa ny fampitandremana. Hahazo vahana ny varatraza ato anatin’ny roa andro manaraka. Hisy fidinana ny maripana amin’ny ilany atsinanan’ny afovoantany ary hisy fiakarana kosa izany amin’ny faritra avaratra andrefana sy ny faritra […]
Fandaharanasa IVLP: mendrika i Kwincy, mpiangaly Hip Hop
Voafantina handray anjara amin’ny fandaharanasa International Visitor Leadership Program” (IVLP), Andrianotahiana Lalaina (Kwincy), mpanakanto misehatra eo amin’ny tontolon’ny Hip Hop sady mpanabe. Miompana amin’ny lohahevitra “Hip Hop and Civic Engagement” ny fandaharanasa. Hitsidika an’i Washington, D.C., New York, sy North Carolina i Lalaina mandritra ny 3 herinandro. Hihaona amina mpisehatra […]
Tsy fanjarian-tsakafo : feno 10 taona ny Vovonana Hina
Teraka taorian’ny nametrahana ny hetsika “Scaling Up Nutrition” (SUN) ny vovonan’ny firaisamonina sivily misehatra ho an’ny fanjarian-tsakafo, ka iray amin’ireny ny Hetsika iraisana natokana ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo (Hina). “10 taona no nijoroany amin’ny fanaovana haitaky hanatsarana ny politikam-panjakana amin’ny fanjarian-tsakafo”, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Faniry Hantarinivo. Nahafahana […]
Fandraisam-bahiny sy fizahantany: afaka miofana any Maorisy ny Malagasy
Mivoatra ny tontolon’ny fiofanana ho an’ny fandraisam-bahiny sy fizahantany vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny ivontoeram-panofanana maorisianina. Afaka mandefa tanora any amin’ny ivontoeram-pampifonana manara-penitra amin’ny sehatry ny fandraisam-bahiny sy ny fizahantany atsy amin’ny Nosy Maorisy i Madagasikara. Notanterahina, ny faran’ny herinandro teo, tany an-toerana, ny fanaovan-tsonia ny taratasy fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny […]