Fiaraha-monina

Faritra Menabe: Zava-dehibe ny fiahiana ny maha olona

Nahazo ny anjarany nandritra ny fitsidihana nataon’ny Filoham-pirenena tany amin’ny faritra Menabe ny fampivoarana ny andavanandron’ny mponina. Ho fanamafisana ny vina fampandrosoana sy fiahiana ny maha olona, adraikitry ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, tarihan-dRamatoa Razafinjato Aurélie, tokantrano marefo, ahitana zokiolona, vehivavy mananotena sy olona manana fahasembanana ary voafonja miisa […]

Ymagoo sy EMIT – Oniversiten’i Fianarantsoa : Mamolavola tanora ho matihanina momba ny sarimihetsika

Mahomby ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny oniversite miankina amin’ny fanjakana amin’ny famolavolana tanora ho matihanina amin’ny saripika sy ny sarimihetsika. Malaza ivelan’ny Nosy ny sanganasa vitan’ireo mpianatra. Manamafy ny fiaraha-mi­asa natomboka ny taona 2017 no ho man­katy ny orinasa Ymagoo sy ny sekoly ambony Ecole de ma­nagement et […]

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny Centre de formation professionnelle sy ny Lycée technique professionnel Belo sur Tsiribihina ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakasa nandritra ny fandalovany tany amin’ny faritra Menabe, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hijerena akaiky ny fivoaran’ny fiofanana. Eo koa ny filan’ny sekoly arakasa eny an-toerana indrindra […]

Sary hosodokO “Fotoanako izao”: Manentana ny vehivavy ho sahy hijoro

Haranty ao amin’ny ivontoerana ara-kolontsaina La Cité des cultures Antanina­renina, mandritra ity volana septambra ity, ny sary hosodoko lehibe nataon’ny mpanao hosodoka sady mpihira no mpandihy Naty Kaly, mitondra ny lohahevitra hoe “Fot­oanako izao”. Antso na kiaka momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy no hasehoan’ny sanganasa avy amin’ny […]

Association Fanilo: Nisitraka fanampiana ireo mpampianatra

Nahazo tohana avy amin’ny Association Fanilo ireo mpampianatra Fram maherin’ny 350. Notanterahina ny herinandro teo teny amin’ny Cisco Avaradrano. Manampy izany ny didimpoitra faobe ho an’ny zanaky ny mpampianatra narahina fizaham-pahasalamana sy fitsaboana maimaimpoana sy fizarana fanafody. Nomena zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) koa izy ireo, toy ny vary, […]