Nandray fanapahan-kevitra ho amin’ny fandaminana ny tanàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanomboka tamin’ity hereinandro ity, voarara ny fiantsonan’ ny fiara eo amin’ny lalana Naka Rabemanantsoa, manomboka eo amin’ny auto-école Cedric, hatreo amin’ny Immeuble Santa. Tsy voakasik’izany kosa ny fiaran’ireo mponina manodidina sy nahazo alalana manokana. Handraisana fepetra ny ankoatra izay. […]
Fiaraha-monina
Mahajanga : Olona 6 isan’andro no voaporofo fa voan’ny Sida
Nandritra ny fandraisan’ny governoran’ny faritra Boeny ny delegasionin’ny fahasalamana sy ny ONUSida no nahafantarana fa mirongatra ny aretina Sida ao Mahajanga. Olona 6 isan-kerinandro no fantatra fa mitondra io tsimokaretina io . Ao Mahajanga no misy ny taha ambony indrindra eto Madagasikara. Anisan’ny firenena tena be olona mitondra ny tsimokaretina […]
Fifamoivoizana an-tariby: Voatazona ny kalitaon’ny fitaterana
Lasa andavanandrom-piainan’ny mponina mipetraka eny Ivandry mamonjy asa sy fianarana eny Anosy ny fampiasana ny fitaterana an-tariby. Voatazona ny kalitaony raha ny tomban’ny tomponandraikitra. Nanamafy ny filaminana sy ny fandrindrana ary ny fitazomana ny kalitaon’ny fitaterana teleferika ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Gérard Andriamanohisoa. Tsikarika isan-kariva […]
Fiteleman’ny ranomasina an’ i Legofa: Mila mifona amin’ny fadintany ny ray aman-dreniny
24 ora taorian’ny fotoana hanoratana ny lahatsoratra, tsy mbola hita i Nathan na Legofa, tovolahy 14 taona natelin’ny ranomasina, ny tolakandron’ny talata teo, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany. Nilomano tanaty ranomasina niaraka tamin’ny zatovolahy namany teo akaikin’ny trano fandraisam-bahiny lehibe iray izy. Raha ny angom-baovao, tovolahy tokony hiditra […]
INDRAY MIJERY
Nidina ifotony nanara-maso ny fidiran’ny mpianatra amin’ny Lycée maromaro eto Analamanga ny tale misahana ny Fampianarana ambaratonga faharoa (DES) sy ny ekipany tamin’ity herinandro ity. Nojerena ny fandaminana ankapobeny sy ny famahana ny olana mety hisy. Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra isan-tokony sy ireo mpianatra ary ny solontenan’ny ray aman-dreny ihany koa […]





