Fiaraha-monina

Toamasina: Nomena torolalana amin’ny asa ny tanora

Nivoitra tamin’ny fihaonana tany Toamasina, omaly, ny fanatsarana ny fampananana asa ho an’ny tanora sy ny hamerenana ny lafiny fandriampahalemana any an-toerana. Anisan’ny tany an-toerana ny minisitry ny Asa sy ny fampananana asa, Raza­kaboana Hanitra. Nia­trika izany koa ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, ahitana mpandraharaha ary ireo orinasa vaventy. […]

Taorian’ny orambe: Niakatra avokoa ny renirano telo

Nanambara ny Apipa tamin’ny filazana momba ny fandehan’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo fa niakatra 0,16 m ny reniranon’i Sisaony, eo amin’ny maridrefin’Andramasina, omaly maraina, tao anatin’ny 24 ora ka mahatratra 0,95m ny haavony. Tombanana hidina kosa ny haavony ho an’ny 12 ora manaraka. Niakatra koa ny haavon’Ikopa ka 1,42m izy […]

Fanohanana ny UNFPA: Ho fahaleovantena sy tantsoroka ho an’ny vehivavy

Natao sonia teny Andraharo ny fiaraha-miasan’ny UNFPA sy ny AFG Bank Madagascar hitondra tombontsoa ho an’ny vehivavy sy ny tanora manokana. Hiara-kiasa ny AFG Bank Madagascar sy ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Momba ny fahaleovantenan’ny vehivavy ara-bola izany, indrindra ho an’ireo niharan’ny herisetra. Eo koa ny fanohanana […]

Fanamboarana ny zotra an-tariby TPC: Vita ny 90% ny asa, hiditra amin’ny fe- petra tsy maintsy horaisina amin’izay

Efa maro ireo tsy mahandry ny handehanana amin’ny teleferika. Efa vita 90% ny asa, ho am-perinasa rehefa tomombana ny pitsopitsony rehetra. Andrana ara-teknika no tena atao sisa. Hapetraka ny orinasa hitantana ny fitaterana ary harafitra ny fepetra tsy hanohintohina ny fotodrafitrasa. Nanao ny tatitra ny avy ao amin’ny sekreteram-panjakana miadidy […]

INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fampahafantarana ny tetikasa “Projet tanora mahefa (Protama) vatsian’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) vola, ho fanamafisana ny traikefan’ireo tanora. Tanjon’ny tetikasa ny hanatsara ny fampiofanana ireo tanora ho tena matihanina, mifanaraka amin’ny filan’ny tontolon’ny asa sy mifandray amin’ireo sehatra stratejika amin’ny toekarena malagasy toy […]