75 ny distrika nahitana trangana Mpox hatramin’ny faran’ny herinandro teo, 34 no manana marary amin’izao fotoana izao, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Nanomboka ny 18 desambra ka hatramin’ny 8 aogositra, nahatratra 3272 ny tranga voamarina, 22 no maty ary 2342 ireo sitrana. Misy fampitandremana noho ny hamafin’ny rivotra any […]
Fiaraha-monina
Autisme Madagascar : Manan-danja ny fiatoana ny ray aman-dreny
Manao hetsika ho an’ny ray aman-dreny manana zanaka hafakely ny Autisme Madagascar. Tanterahina amin’ny faritra 10 manerana ny Nosy izany. Mihaino sy manampy azy ireo amin’ny fitaizana ny zaza izany. Miara-miasa amin’ny manam-pahaizana manokana toy ny Dokotera sy mpandinika ny saina ny fikambanana. Tanjona ny fanohanana ho enti-manampy ny ray […]
Ankadinanahary Ambositra : Hanorenana “Campus universitaire”
Hametrahana “Campus Universitaire” ao Ankadinanahary, Ambositra. Nidina ifotony nijery ny ametrahana izany ny minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy. Niara-dalana azy tamin’izany ireo manam-pahefana ao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Tsy miandry ela, hapetraka amin’ny herinandro ho avy izao ny vato fototra. Tanjona […]
Fampianarana ambony : Mahasarika ny tanora malagasy ny oniversite any Inde
Anisan’ny firenena manitona ny tanora malagasy, ny oniversite any Inde amin’izao fotoana izao. Maro ny lalam-piofanana azo hisafidianana. Manana ny lanjany amin’ny sehatra iraisam-pirenena rahateo ny diplaoma. Tsy mirona amin’ny oniversite tandrefana samy irery intsony ny mpianatra malagasy mandranto fianarana ambony. Lalana iray mahasarika ny tanora ny any Inde. Maro […]
INDRAY MIJERY
Tokony hanatona tobim-pahasalamana avy hatrany raha misy tazo mahery, hoditra misy fery na mamorifotra, maso mena, kohaka na soritr’aretina hafa mampiahiahy fa mety ho kitrotro. Tokony hanaraka ny torohevitra omen’ny mpiasan’ny fahasalamana. Tokony ho antoka fa manaraka ny fandaharam-potoanan’ny vaksiny ny ankizy. Nandray fepetra avy hatrany ny tompon’andraikitry ny BNGRC […]




