Nisokatra ny taona 2015 ny akany fibeazana ao amin’ny EPP Sevohipoty. Tsy narisika loatra ny ray aman-dreny, tany am-boalohany. Zara raha nisy 60 teo ho eo ny zaza noraisina an-tanana. “Niova izany ankehitriny, miakatra avo dimy heny ny isan’ny mpianatra. Mahatratra 311 izy ireo ao amin’ny akany fibeazana (préscolaire). Nahatonga […]
Fiaraha-monina
Fanadinana CEPE : 80,73% ny taham-pahafahana fanadinana
Efa nivoaka avokoa ny voka-panadinana CEPE. Nahatratra 80, 73% ny taham-pahafahana fanadinana, manerana ny Nosy, raha ny voalazan’ny tale misahana ny fanadinana ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Nivojoelina Bazolimanjato, omaly. Niakatra io taha io raha oharina ny tamin’ny taon-dasa (77,84%), araka ny fanazavana hatrany. Cisco 115 no nanatanteraka ny fanadinana. 459 […]
Fikarakarana ny zaza madinika : Nivoatra rehefa nijoro ny toeram-pilalaovana ao Sevohipoty
Tsy manana toerana hialana voly ny zaza ao amin’ny faritra Androy. Variana amin’ny asa fivelomana andavanandro ny reny ka tsy afaka mampilalao na manambitamby ny kilonga. Manoloana izany, najoro ny toerana fampilalaovana sy PNNC hanampy azy ireny. Manana toerana fampilalaovana zaza miisa dimy ny distrikan’ Ambovombe. Matetika napetraka manakaiky ny […]
Podium tetsy Mahamasina: vahiny manokana ireo mpanakanto avy any Rosia
Nanehoana kolontsaina marolafy ny tetsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, omaly. Nanaitra ny rehetra ny fandraisana anjaran’ireo vahiny rosianina. Ny gadona efa fandre ihany, fa ny feony kosa dia vaovao tanteraka… Na izany aza, nitondra hafaliana ho an’ireo izay nanatrika ny « Podium » lehibe tetsy Mahamasina, omaly tolakandro, ireo mpanakanto avy any Rosia. […]
JME Atsinanana: zana-kazo 2 000 nambolena
Niaraka nankalazaina ny 23 jona teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (JME) sy ny Andro fiarovana ny zavamananaina hiadiana amin’ny fahangazan’ny tany, ho an’ny faritra Atsinanana. Tany Ambodiriana, distrika Toamasina II no nanatanterahina ny fotoana, ao anatin’ny Faritra arovana Betampona. Miisa 2 000 ny zana-kininina nambolena any an-toerana. Nankahery […]




