Ilaina ny haitaky amin’ny fandresen-dahatra hampiakarana ny tetibola ho an’ny SDSR. Ireo solombavambahoaka no hanao ny adisisika hampitomboana izany tetibola izany ka nizarana paikady. Natao ny herinandro teo ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo solombavambahoaka momba ny ady amin’ny VIH/Sida. Teo koa ny haitaky ho fampitomboana ny tetibola natokana ho an’ny […]
Fiaraha-monina
CHU Anosiala : Nisy ny hetsika fandidiana molotra sima
Herinandro no nanatanterahana ny hetsika fandidiana molotra sima tao amin’ny CHU Anosiala. Hetsika izay nokarakarain’ny ONG Well International sy ny CHU Anosiala. Fandidiana maimaimpoana ireo olona manana fahasembanana eo amin’ny molotra na sima, miisa 20 nahitana zaza sy olon-dehibe. Nisy ny fizarana traikefa sy fampiofanana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana miofana […]
Analakely : Notsirihina ireo mpivarotra sakafo
Ho fanentanana momba ny fehezam-pitsipika mifehy ny fahadiovana eny an-tsena, nidina teny amin’ny Pavillon Analakely ny ekipan’ny CUA. Ho an’ireo mpivarotra legioma dia tokony hanana sobika sy kifafa ny mpivarotra tsirairay. Ireo nahitana loto teo amin’ny manodidina ny toeram-pivarotany dia nasaina nanadio avy hatrany. Ireo mpivarotra hani-masaka ao amin’ny zaimaika […]
Fifaninanana hidirana ho mpitsara : Voaporofo ny nisian’ny laza adina nivoaka mialoha, averina ny fanadinana
Averina ny fifaninanana hidirana ho mpitsara amin’ny lalam-piofanana ady ifanaovan’ny isam-batan’olona. Voaporofo fa nahitana laza adina nivoaka mialoha ka tsy maintsy nandraisana ny fanapahan-kevitra. Mampahafantatra ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, fa taorian’ny fanapahan-kevitra hampiatoana ny fanadinana hidirana ho mpitsara, ny 15 marsa 2026 lasa teo, noraisina ny andraikitra ka […]
Fampianarana ambony : Miantoka ny kalitaon’ny fampianarana ny rafitra HAE
Natao, omaly, tetsy amin’ ny Mesupres Fiadanana, ny fampahafantarana sy fampiofanana momba ny sehatra niomerika “Habilitation”, “Accréditation” ary “Équivalence” HAE. Niarahana tamin’ireo tomponandraikitry ny toeram-pampianarana ambaratonga ambony miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana izany. Miisa 546 ireo antontan-taratasy voaray hatramin’ny 10 jolay 2026, raha manodidina ny 250 kosa ireo antontan-taratasy […]




