Fiaraha-monina

Fanolanana sy firaisana mamoafady: niompanan’ny fanadihadian’ ny mpikaroka dimy mianadahy

Olana lehibe eto Madagasikara ny fanolanana sy ny firaisana mamoafady, araka ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny Nifin’Akanga. Ny taona 2022, tamin’ny vehivavy 460 nohadihadina, 68% no niharan’ny herisetra ara-pananahana ary 14% nianjadian’ny firaisana mamoafady. Natolotra ny faran’ny herinandro teo, teny Ankorondrano, ny valin’ ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka dimy amin’ny sehatra samihafa […]

Amborompotsy Talatamaty : mponina marefo 200 nisitraka fanampiana

Nanatanteraka asa sosialy hanampiana ireo olona sahirana ny fondation Mohamed IV des Oulémas Africains eto Madagasikara, afakomaly. Nisitraka izany ireo mponina marefo ara-pivelomana 200 isa teo anivon’ny fokontany Amborompotsy, kaominina Talatamaty. Nahitana vary iray gony, menaka roa litatra ary ronono mandry iray boaty avy ny tolotra. Tanjona ny hanampiana sy […]

Fandriampahalemana: mpiara-miasa akaiky i Madagasikara sy i Etazonia

Nandray ny fankalazana ny nahaterahan’ny fanjakan’i Texas ny masoivoho amerikanina miasa sy monina eto amintsika, Pierangelo Claire, ny alakamisy teo. Nanotrona izany ireo mpitandro filaminana amerikana sy Malagasy ary mpiara-miasa. Nahafahana nifanakalo hevitra momba ny fanamby iombonana amin’ny asa fiarovana an-tanety sy an-dranomasina eto Madagasi­kara ny fihaonana. Zava-dehibe ny fiaraha-mi­a­sa […]

«Run and Bike» : Hatao ny 21 avrily izao ny andiany fahefatra

Hatao ny 21 avrily ho avy izao ny andiany fahefatra amin’ny hetsika “RUN & BIKE”, karakarain’ny fikambanana TAO. Hotanterahina etsy Ambohibe, ao amin’ny Parking Rouge, izany. Hetsika ara-panatanjahantena ahitana hazakazaka am-bisikileta sy an-tongotra. Tanjona ny hanentanana ny vahoaka malagasy hanatsahatra ny fanaovana herisetra eo amin’ny ankizy tsy ampy taona. Ankizy […]

Tsiafahy: namboly hazo 1 500 fototra ny fikambanana DHEA

Maherin’ny 200 ireo mpikambana ao amin’ny DHEA tonga namboly hazo teny Tsiafahy, omaly. Sady nanohana ny voafonja rahateo izy ireo, nandritra ny fandalovany teny. Hazo fihinam-boa haingam-pitombo miisa 1 500 fototra no nambo­len’ny fikambanana’ireo ma­nam-pahaizana nivoaka avy tamin’ny Hautes Études en Administration (DHEA), Enam, omaly, teny Tsiafahy. Miara-mientana manamaitso ny […]